Filalaovana sarimihetsika. Tontolo anisan’ny tena nahafantarana an’i Fetra. Nisongadinan’ny talentany, ohatra, ny « Malok’ila ». Mpikambana ao amin’ny Rajao mianakavy. Mpamorona, mpitendry, mpanentana sady mpihira izy… Ankehitriny, nanapa-kevitra Andrianarivo Hilaire (Fetra) fa handeha irery eo amin’ny hira amin’izay. « Maro izay lalana nandalovana teo amin’ny tontolon’ny zavakanto izay. Afaka mandeha irery amin’izay. Ity taona 2016 ity no isantarako izany », hoy i Fetra.
Niatomboka tamin’ny dihy i Fetra. Efa nitety vazan-tany vitsivitsy tamin’io zavakanto io. Nianatra, niofana, nikaroka ary nihaona sy nifanakalo traikefa tamin’ireo mpanakanto zoky marobe. Raha ny fanazavany, « tsotra ny mozikako. Mora raisin’izay maheno azy ».
Efa miparitaka any amin’ny haino aman-jery maro ny sanganasan’ity mpanakanto ity. Anisan’ireny ny « Eka ho’zy », « Drako », « Kabone », sns. Anisan’ny niara-nihira tamin’ny mpijery teny an-tsehatra izy tamin’ilay hirany « Zah ho’ah lesy Rabaina maka an’lah ». Nampanantena i Fetra fa « tsy ho latsa-danja noho ny hatramin’izay ny hoentina sy homena ny mpitia zavakanto amin’ity taona vaovao ity ».
HaRy Razafindrakoto