Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

MCA : haranty ny harena ara-kolontsaina malagasy

$
0
0
????????????????????????????????????

Tonga ny fotoana tokony hohararaotina, indrindra ho an’ny mpianatra ! Tsy inona no tian-kambara eto fa ny hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny asa tanana, miaraka amin’ny Alliance française eto Antananarivo (AFT). Hotanterahina ny 9 hatramin’ny 25 febroary izao, etsy Andavamamba, izany.

Tokony hohararaotina tokoa ity fotoana ity satria, hampahafantarina sy hampahatsiahivana, amin’ny alalan’ny fampirantiana, ny « Kolontsaina, ny maha malagasy antsika », araka ny lohahevitry ny hetsika, mandritra io fotoana lavalava io.

Manan-karena ny Malagasy, raha ny kolontsaina no resahina. Araka ny efa iaraha-mahalala, avondron’ny foko 18 ny Malagasy. Misy kolontsaina iraisan’ny faritra roa na maromaro. Ao koa anefa ny mampiavaka ny foko tsirairay. Harena lehibe sy sarobidy izany fahasamihafana ao anaty firenena iray izany. Ankoatra izany, miseho amin’ny endrika marobe ny kolontsaina isam-paritra na isam-poko. Ireo rehetra ireo, samy ho hita taratra mandritra ity fampirantiana, tanterahina etsy amin’ny AFT Andavamamba, ity.

Tanjon’ny mpikarakara, araka izany, ny hamelombelona indray ao anatin’ny tsirairay ny hambompo maha Malagasy, ny hampiroborobo hatrany ny finiavana hikolokolo sy hitahiry ny kolontsaina mampiavaka antsika ary ny fahazotoana hampita amin’ny taranaka mifandimby izany rehetra izany.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503