Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

“Vadiko Tiako” : sehatra iakarana ho an’ireo mpanatontosa rakitsary

$
0
0
????????????????????????????????????

Vadiko Tiako Concours”. Io ny anarana nampisalorana ilay fifaninanana ho an’ireo mpanatontosa rakitsary eto Madagasikara. Nampahafantatra ny fifaninanana sy ilay hira “Vadiko Tiako” i Hil Chaffre, omaly, tetsy amin’ny K’Art Antanimena. Amin’ny endriny roa ilay hira, ka arakaraka izay mampisy aingam-panahy ireo mpifaninana no hamoahany ny rakitsary.
Manankarena talenta, manankarena olona, manankarena voajanahary ianareo. Te hanasongadina ireny aho. Te handray anjara na bitika aza amin’ny fampahafantarana ny talentan’ny mpanatontosa rakitsary, ka any aoriana any, ho avy eto ny avy any Eoropa sy ny firenen-kafa hitady azy ireo. Mba maniry koa aho ho lasa rehareha aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina izany”, hoy ny fanazavana nomen’i Hil Chaffre, mpanakanto renioney, latsa-pitia tamin’i Madagasikara efa an-taona maro.
Nisokatra omaly ny fisoratana anarana ho an’ireo liana. “Raha toa ka olon-droa mifankatia eny amoron-dranomasina aloha no asehony an-tsary, azo antoka fa tsy ho lany ny tetikasany. Izay manan-kevitra lasa lavitra noho ny hafa, miavaka amin’ny hafa ny aingam-panahiny ary mahavita mampiasa izay eo am-pelatanana na be na kely no ilaina”, hoy hatrany ny fanazavan’i Hil Chaffre.
Haka endrika “télé-réalité” ny fifaninanana, aorian’ny fifantenana ny sanganasan’ireo mpifaninana. Hosafidina ny telo mendrika voalohany, ka hampandraisana anjara amin’izay ny mpijery, amin’ny alalan’ny fahitalavitra iray, izay tsy mbola nampahafantarina. Ankoatra ny vola hatao loka, manantena  Hil Chaffre sy ireo mpiara-miasa aminy fa ho maro ireo hanohana ny tetikasa, ka hanampy amin’ny loka. Homena miandalana eo ihany ny andinindiny.

Zo ny Aina Randriatsiresy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503