Na monina tanteraka any ivelany any aza, mbola manakoako ihany ny hoe « Malagasy », manan-talenta. Tsy iza no tian-kambara eto fa tovovavy iray monina any Québec-Canada, antsoina hoe Haingo Nirina. Nambabo ny fon’ny mpitsara, amin’ilay fifaninanan-kira « La Voix » ity tovovavy ity, ny alahady teo, tamin’ny fanombohan’ny fifaninanana.
Mitovy amin’ny « X-Factor », ilay fifaninanan-kira malaza any Etazonia, ny « La Voix ». Amin’ity andiany fahefatra amin’ny « La Voix » ity, misy mpitsara efatra, Marc Dupré, Pierre Lapointe, Éric Lapointe ary i Ariane Moffatt, mipetraka miamboho ny mpifaninana ary mitodika raha tsapany fa tsara ny feon’ito farany. Eric Lapointe, mpanoratra, mpihira sady mpandrindra fanta-daza. Izy no nosafidin’i Haingo Nirina tamin’ireo mpitsara babon’ny feony.
Tsy vaovao be amin’ny tontolon’ny mozika i Haingo Nirina. Efa nihira tao amin’ny Maison de jazz ao Montréal, tao amin’ny Manoir Richelieu ary nandritra ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia, ny taona 2008, ny tovovavy. Na izany aza, tanjony ny hiakatra amin’ny toerana ambonimbony kokoa. Ankoatra izany, nambarany tamin’ny mpanao gazety any an-toerana fa mahafinaritra azy raha misy Malagasy reharehan’ireo mpiray tanindrazana aminy amin’ny fihirana any Canada any.
Araka izany, azo lazaina ho efa nahavita dingana iray i Haingo Nirina na mbola lavitra sy sarotra aza ny lalana amin’ity fifaninanana « La Voix » ity.
Landy R.