Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Danse pour tous » : mahatratra 60 ireo mianatra dihy

$
0
0
DANSE2FEV

Mahavelom-bolo ! Mahatratra 60 ny isan’ny ankizy sy tanora tonga mianatra dihy eny amin’ny Espace Maray eny Androndrakely, isaky ny asabotsy, nanomboka ny 9 janoary teo. Efa-taona ny kely indrindra amin’izy ireo raha 30 taona ny zokiny indrindra. Raha tsiahivina, tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Danse pour tous », novolavolain’i Julie Iarisoa sy ny kaompania Anjorombala izao fampianarana dihy maimaimpoana izao.

Nanomboka ny volana aogositra 2015 ny tetikasa, izay misokatra ho ho an’ny rehetra. Fanambin’ny mpikarakara ny hitohizan’izany hanatrarana ny tanjona : ny hampiroborobo ny dihy ankehitriny sy ny hisian’ny solofo dimbin’ny ala eo amin’ity seha-javakanto ity.

Isaky ny asabotsy ny fianarana ka mizara ekipa telo ireo mpiofana : ny 4 hatramin’ny 8 taona no manomboka izany, dimbiasan’ny 9 hatramin’ny 14 taona ary faran’ireo tanora 15 taona noho mihoatra.

Natao ho an’ireo mankafy dihy ankehitriny, maniry ny hianatra na hanamafy ny fahaizany nefa tsy manana fahefana handoa saram-pianarana ny « Danse pour tous ». Ireo karazan’olona ireo no tena kendrena. Na izany aza, misokatra ho an’ny rehetra ny tetikasa. Hatreto, avy amin’ny fianakaviana somary sahirana ny ankamaroan’ny mpiofana, raha ny voalazan’i Julie Iarisoa.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503