Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Festival Angaredona »  : tarika fito no voafidy

$
0
0
ANGAREDONA

Tsity, Sarandra Beloba, Masabao, Iarovolahy, Jeahibesele, Ragasy ary Voromanga Milalao. Tarika fito, voafidy handray anjara amin’ny « Festival Angaredona » amin’ity taona ity ireo. Nisy ny antso nataon’ireo mpikarakara tamin’ny volana desambra lasa teo, ho an’ireo tarika mivoy ny mozika miaina ka te handray anjara tamin’ity hetsika ity. Maro ireo namaly izany, saingy fito ihany ny voafidy, taorian’ny fihainoan’ny komity mpanomana ny sanganasan’ireo tarika, nandritra ny andro maromaro.
Tarika vao manomboka na tsy mbola fantatry ny besinimaro mihitsy ireo voafidy ireo. Manan-talenta kosa anefa, ka naharesy lahatra ny komity. Tanjona rahateo ny fanomezana sehatra ny talenta vao amin’ny mozika miaina, hahafahan’ireo mpanakanto maneho ny sanganasany, hivelarany bebe kokoa.
Mbola amin’ny volana septambra ny “Festival Angaredona”. Handray anjara amin’ilay hetsika “Café de l’AF”, fanao ao amin’ny AFT Andavamamba kosa ireto tarika ireto, mialoha izay. Isaky ny zoma faran’ny volana io, izay natao indrindra ho an’ireo tarika vao misondrotra.

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503