Na tsy fantatra loatra aty an-tanindrazana aza, misy mpanakanto malagasy, any ivelany any, mametraka ny maha izy azy ary mizotra mankany amin’ny fahombiazana amin’izany lalana nosafidiny izany. Anisan’ireny i Seheno, tovovavy manan-talenta monina any Pantin Frantsa. Mifototra tanteraka amin’ny tontolo iainana, ny voajanahary ary ny fandriampahalemana sy ny fitoniana ny aingam-panahiny. Izay no mampiavaka an’i Seheno.
Fantatra àry izao fa hivoaka ny 26 febroary ny rakikira faharoa an’ity mpanakanto malagasy monina any Frantsa ity. Vokatra vaovao mitondra ny lohateny hoe « Hazo kely », ahitana hira miisa sivy. Araka ny fotokevitra efa nijoroany, ambarany ao, ohatra, ny fanaovan’ny fiarahamonina ankehitriny tsinontsinona ny natiora, izay lasa entam-barotra.
Ahitana fifangaroana ara-kolontsaina ny « Hazo kely » : misy hira amin’ny teny frantsay ; ao koa ny amin’ny teny anglisy. Asongadiny koa ny fampivadiana gadona samihafa : ny « électro » tendrena amin’ny « djembé » na irony karazan’amponga irony.
Anisan’ireo mpanakanto miady mafy ho fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary i Seheno. Noho izany, vita amin’ny akora mbola azo ahodina ny fonon’ny kapila misy ireo hira vaovaony. Toy izany koa ny bokikely ahitana tononkira miaraka aminy. Niara-niasa tamina mpanao asa tanana, any Calcultta Inda, i Seheno tamin’izany rehetra izany.
Mikasika ny fiakarana an-tsehatra, ny 7 avrily no hifamotoana amin’ny mpankafy ity mpanakanto ity, ao amin’ny Trois Baudets any Paris.
Landy R.