
Ho avy tsy ho ela ny fanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny teny reny ». Mankalaza io tsy tapaka i Madagasikara. Sehatrasa, fikambanana, sampandraharaha isan-tokony, sns, samy manatanteraka « hetsika » avokoa. Tsy manalavitra azy ireny ny manampahaizana sy ny avara-pianarana.
… Mikaroka, mandany rondoha sy vola aman-karena, mihafy, kanefa toa sasa-poana ihany noho ny antony samihafa. Goavana indrindra amin’izany ny tsy fanomezan-danja ny voka-pikarohana. Any anaty vata sarihina ! Ny lasa lavitra indrindra, any amin’ny tranombokim-pirenena.
Ny any ivelany anefa, goavana toy ny seha-pikarohana ihany koa ny sehatra fampahafantarana sy ivelaran’ny vokatra azo na vita. Iray andro monja aorian’ny hivoahan’ny voka-pikarohana iray, efa mahazo akony ny mpikaroka. Miainga avy hatrany indray ny fikarohana manaraka, na ny fanatsarana tokony hatao.
Mila mampitombo sy manamafy ireo sehatra ahafahana manapariaka ny voka-pikarohana amin’ny sehatra rehetra i Madagasikara raha te handroso. Anisan’ireny ny tranomboky isaky ny kaominina. Fanaovana ny fikarohana amin’ny teny malagasy, sns.
HaRy Razafindrakoto