Norombahin’i Dafy Noely tamin’ilay tononkalo « Neniko ny teniko » ny laharana voalohany tamin’iilay fifaninanana tononkalom-pitiavana nampanaovin’ny vondrona Koloiko sy hajaiko ny teniko (KHT). Anisan’ny fepetra nitsarana ny tononkalo tsirairay ny hakantony, ny firafiny sy ny fahaiza-mifehy ny teny malagasy ary ny fanarahana ny lohahevitra.
Nanome ny ampahan’ny isa ny mpitsidika ny vondrona KHT ao amin’ny « facebook ». Ny ampahany faharoa kosa, nalaina avy amin’ny isa nomen’ny mpitsara.
Nomarihin’ny tompon’andraikitra sy mpikarakara ny fifaninanana fa ezahina ny hitohizan’ny hetsika tahaka izao ho fanomezan-danja ny teny malagasy fa ny lohahevitra no hiova hanaraka ny zava-misy.
HaRy Razafindrakoto
1- Dafy Noely—(Neniko ny Teniko) (Isa: 56,67)
2- Volatiana Rahaga—(Lala o !)
3- Soamiely Andriamananjara—(Hirahiran’ny fitia)
4- Rina Randriamiarina—(Izaho sy ianao)
5- Riman’ny fou—(Diary sy Sahala)
6- Botsaiky Vkn—(Ny fitiavako anao)
7- Barry Sirjon—(Niangarana)
8- Randrianandrasana Laingo Fenomanitra Nomenjanahary—(Fitiavana)
9- Tsiry Mampionona—(Lasanao)
10- Tokiniaina Joseclaudio—(Rohy)