
Nody ventiny ny rano nantsakaina. Nampahafantarina, omaly tetsy amin’ny Alliance française Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fivoahan’ny boky « Le kabary expliqué et traduit en français ». Sanganasan-dRamandraivonona Dera sy Razanamalala Henriette. Boky vaovao, hoenti-mampivelatra ny kabary malagasy maneran-tany.
« Tsy maintsy hay sy mazava tsara aloha ny heviny, ny dikany (haiteny, voambolana…) amin’ny teny malagasy, izay vao atao ny fandikana sy fanazavana izany amin’ny teny frantsay, mifanaraka amin’ny kolontsaina frantsay. Izany hoe, tsy maintsy ao ilay kolontsaina roa ». Tahaka io ny endrika namintinan’ny mpanoratra ny fomba nanatontosan’izy ireo ity boky manana pejy 182 ity.
Ankoatra ny fampivelarana ny kabary, anisan’ny tanjon’ny mpanoratra amin’ny famoahana ny boky « Le kabary expliqué et traduit en français » ny fisintonana ny hafa firenena ho liana amin’ny kolontsaina malagasy. Hanampy ireo Malagasy any ivelany izay tsy zatra mampiasa loatra intsony ny teniny.
Nomarihin’ny filohan’ny fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima), Andriamboavonjy Hanitra, fa « harena goavana ny tahaka izao satria ho fantatra maneran-tany ny kabary malagasy ».
HaRy Razafindrakoto