
Princio (2010), Raboussa (2011), Tence Mena (2012), Ambondrona (2013), Gangstabab (2014). Voahosotra ho mpanakanton’ny taona 2015 kosa i Wawa, nandritra ny lanonana “Rdj Mozika 2015”, notontosaina ny alin’ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny CCI Ivato. Mendrika an’i Wawa ny anaram-boninahitra, raha tsy hitanisa afa-tsy ny isan’ny seho izay notontosainy manerana ny Nosy, ka hatrany ivelany. Teo koa ny nahavitany nitondra ny “Sômarôho!” any Nosy Be teto Antananarivo, ankoatra ny namoahany hira vetivety dia voarain’ny mpankafy.
Nankasitrahana niaraka taminy ireo mpanakanto maro, araka ny safidin’ny mpankafy. Fantatra ohatra, fa voahosotra ho fampisehoan’ny taona 2015 ilay seho goavana niarahan’ny tarika Mahaleo sy Lôlô sy ny tariny teny amin’ny Coliseum.
Ireo voahosotra hafa:
Mozika “tendance”: “Samy malagasy”, DJ Gouty sy Odyiai
Mozika mafana: “Patron’aomby”, Barinjaka
Rap & Rn’B: “Boombap mpiondana”, X-Tah
Mozika mihetsika: “Tsy foiko”, Stéphanie
Mozika “duo”: “Mila anao”, Lôla sy Black Nadia
Mozika “variété”: “Taraiky”, Samöela
Mozika fiderana: “Rahoviana « , Joseph d’Af
Mozika milamina: “Tsapako amin’izay”, Tif à Tif
“Révélation de l’année: Joyce Mena Makoa.
Zo ny Aina