
Tontosa, omaly, teny amin’ny hotely Panorama eny Andrainarivo, ny lalao famaranana fiadiana ny amboaran’i Madagasikara amin’ny « jeu de go », lalao mampiavaka an-dry zareo japoney. Rakotoarisoa Mamy, izy àry no hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, hotontosaina any Sina amin’ny volana jona izao.
Tsiahivina fa andiany faha-22 ny natao tamin’ity taona ity, raha ny fifaninanana nasionaly amin’ny « jeu de go » no resahina. Mizara sokajy efatra ireo mpilalao, izay nitotaly 50 : ireo efa mahay, ny lehibe mbola eo amin’ny antonontonony, ny ankizy ary ireo mbola vao manomboka. Avy amin’ny sokajy efa mahay ilay hiatrika ny fifaninanana maneran-tany.
Nambaran’ny tale teknikan’ny federasiona nasionalin’ny « jeu de go » eto amintsika, Razafindrabe Manitra, fa mampiaiky ny any ivelany any ny fahaizan’ny Malagasy ity lalao ity. Ohatra amin’izany ny efa nandresen-dRakotoarisoa Mamy mpilalao iray amin’ny « 4ème dan » raha toa ka « 1ère dan » no misy azy.
Tsara ny manamarika fa ny fifaninanana « jeu de go » tamin’ity taona ity no natrehin’ny masoivoho japoney farany, izay handao ity Nosy ity, tsy ho ela, noho ny fahataperan’ny fe-potoam-piasany.
Landy R.