Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

30 taona an-tsehatra… : niray fo tamin’i Poopy ireo mpankafy azy

$
0
0
????????????????????????????????????

« Tonga ilay fotoana… ». Fihaonan’ny tia sy ny manina ny an’i Poopy sy ny mpankafy azy, omaly, tetsy Mahamasina. Niray fo tamin’ity mpanakanto ity ireo mpankafy azy marobe, nandritra iny fanamarihana ny faha-30 taona niakarany an-tsehatra iny.

« Seho hampiavaka ity taona ity ka tsy tokony hadinoina… ». Tsy diso fanantenana tokoa ireo mpankafy an’i Poopy, tonga nanotrona azy tamin’ny seho, fanamarihana ny faha-30 taona niakarany an-tsehatra, omaly, tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina.

I Poopy, toy ny nahafantarana azy hatramin’izay, ny mozika sy ny feo mangany ary ny tononkira mandrotsirotsy nambabo ny taranaka nifandimby tao anatin’izay fotoana izay. Ireo no natosany nandritra ny ora maro, izay toy ny fotoana kely monja noho ny hamaminy. Kanto, tsapa fa natolony am-pitiavana, hany ka niray fo tanteraka taminy ireo mpankafy, efa sasa-niandry an-taonany maro ity fihaonana ity.

« Tahaka izay… ». Izay tsy tonga tamin’iny seho, anisan’ny goavana indrindra ary nanamarika ny tantaram-piainan’i Poopy amin’ny maha mpanakanto azy, iny tokoa no nanenina. Novelomina indray ny ankamaroan’ireo hira nahafantarana ity mpanakanto ity sy ireo nisongadina tamin’ireo rakikira efa navoakany tao anatin’izay fotoana izay.

Tsy hadinon’i Poopy ny niandohana, ny lakana niampitana. Nanaporofoany izany, ny niarahany nisantatra ny sehatra tamin’i Njila, tamin’ireo hira nampanakoako ny feony miavaka, toy ny « Lay rivotra », « Andro hafa », « Sambasamba ». Nanomboka tamin’ireo hira ireo hatramin’ny niafaran’ny fampisehoana, izay nampalai-nisaraka ny roa tonta, tsy an-kiato ny fampiaraham-peo teo amin’i Poopy sy ny mpankafy, tonga marobe.

Naneho fialan-tsiny tamin’ireo mpijery ny mpikarakara ny seho, noho ny olana nisy teo amin’ny fandaminana ny fampidirana. Maro ny mpijery, saingy mbola nanavao ny fampiasana ilay fitaovana vaovao hiadiana amin’ny tapakila hosoka izy ireo.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503