Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Nanamafy firaisankina ny mpanakanto zanak’i Toliara

$
0
0
????????????????????????????????????

Isan-taona, tsy maintsy mifamotoana mifampiarahaba noho ny taona vaovao, ireo mpanakanto mivondrona anatin’ny Fikambanan’ny Artista Toliara, na ny Fi.Art.To.
Toy ny fanaony isan-taona, notanterahina ny asabotsy 27 febroary teo, tetsy amin’ny Telozoro Andrefan’Ambohijanahary, ny fihaonana sy fifampiarahabana nahatratra ny taona teo amin’ ireo mpanakanto avy any amin’ny faritra Atsimo mivondrona ao amin’ny Fikambanan’ny Artista Toliara na ny Fi.Art.To.
“Entina hanamafisana hatrany ny firaisankinan’ny mpikambana, ankoatra ny fifanakalozana vaovao ny fihaonana”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Ranomenjanahary Julien, ao amin’ny tarika Arembelo. Araka izany, namono omby vao maraina ireo mpikambana tamin’io fotoana io, ho fangataham-pitahiana sy mba tsy hitohizan’ny aloka nanjohy ny fikambanana, tamin’ny namoizana ireo mpikambana toa an’i Médicis, Félicien ary Rasoakininke. Fisaorana noho ny fitahiana ireo niharan-doza kanefa velon’aina soa aman-tsara, toa an-dry Black Nadia, Firmin, Terakaly ihany koa anefa, izany.
Mitohy hatrany ny fijerena izay mahasoa ny mpikambana, ka anisan’ny tanjon’ny fikambanana amin’ity taona vaovao ity ny fanamafisana ny maha matihanina ireo mpikambana. Anisan’ny ketrehin’ny fikambanana ny fampiofanana ireo mpikambana. Hijery akaiky ny lafiny sosialin’ireo mpikambana ihany koa ny Fi.Art.To.
Raha tsiahivina, ivondronan’ireo mpitendry, mpihira ary mpandihy avy any amin’ny faritra Anosy, Androy, Atsimo Andrefana ary Menabe ny Fi.Art.To. Manodidina ny 300 eo ho eo ny mpikambana izao, hatramin’ny taona 2013 nijoroany. Malalaka ny fidirana ho mpikambana, rehefa mahafeno ny fepetra napetraka hatrany am-boalohany.

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503