Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Alatsinain’ny Paska an-tsary

$
0
0
????????????????????????????????????

Efa tsy afa-misaraka amin’ny fetin’ny Paska ao Antsirabe intsony ny fanombohan’ny « THB Tour ». Na tsy mitovy tamin’ireo andiany teo aloha aza ny tolotra, indrindra teo amin’ny ireo mpanakanto nantsoina hanafana ny fety, vory lanona marobe hatrany kosa ny mpifety. Efatra andro an-danonana, nanjakan’ny « Soa ny fiarahantsika » izany. Nifandimby nanafana ny sehatra ry Gangstabab, Princio, Kougar, Lianah. Namarana ny fety kosa ny tarika Rebika ny alatsinainy. Mazava loatra fa nanaingo ny fotoana rehetra ry Fou Hehy teo amin’ny fanentanana sy i Nicki Di Manu teo amin’ny fampandihizana.

: « En forme tsara », teny enti-milaza fetezan-javatra, ankoatra ny ara-pahasalamana… lohatenin-kiran’i Jerry Marcoss, nanamarihany ihany koa ny fety tsingerin-taona faha-15 niakarany an-tsehatra, ny Alatsinain’ny Paska teo teny amin’ny Coliseum eny Antsonjombe. « En forme tsara », toraka izany koa ny fahamaroan’ny olona nameno ity kianja goavambe ity. Ankoatra ny ekipan’i Jerry Marcoss, marobe ny tarika sy mpanakanto nanotrona sy nanafana ny fotoana, nanomboka ny maraina. Azo lazaina ho fahombiazana ity hetsika teny Antsonjombe ity.

 

Tsy mbola lefy laza ny « Sôma » iarahana amin’ny tarika Rossy. Maro ireo nisafidy ny hamakivaky ny Alatsinain’ny Paska, tetsy Mahamasina niaraka taminy, indrindra tamin’ny tolakandro. Raha izay ny 28 marsa, tsy ambakan’izany koa ny tamin’ireo telo andro mialoha, efa nisian’ny hetsika samihafa, teo amin’ny Kianja Annexe. Anisan’izany ny varotra fampirantiana, kilalao, sns. Tsiahivina fa natomboka tamin’ny « Zoma manifika » ny fety teny amin’ity toerana ity ary tsy vitsy ireo tonga nanotrona izany.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503