
15 taona an-tsehatra… Fa tsy nisy na dia amam-bolana nanginana aza i Jerry Marcoss sy ny sanganasany tao anatin’izay. Nanao tamberina ny 15 taona lasa, nanome ny tohin’ny fankalazana ary nanambara ny fanamby ho an’ny 15 taona ho avy izy. Resadresaka manokana.
Gazety Taratra (*): Tontosa soa amantsara iny ilay seho goavana, nanamarihanao ny faha-15 taona an-tsehatra. Nanao ahoana ny fihaonan’i Jerry Marcoss sy ireo mpankafy?
Jerry Marcoss (-): Seho tena nampihetsi-po ahy iny. Fihaonana nahafinaritra sady nafana tamin’ireo mpankafy teto an-drenivohitra, tonga tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny alatsinain’ny Paka teo. Mbola manana fahatokisana aho, araka ireny hita ireny. Matoky ireo mpankafy efa niaraka tamiko foana ihany koa, fa mbola hiaraka mandritra ny taona maro mifanesy isika.
* Raha hanao tamberina fohy, azon’i Jerry Marcoss fintinina ve ireo tena nanamarika ny lalanao teo amin’ny mozika nandritra izay fotoana izay?
– Nanamarika ahy hatrany ny fotoana rehetra nihaonako tamin’ireo mpankafy, hatrany am-boalohany. Tamin’izany, nitsapatsapa lalana teo amin’ny mozika. Nikaroka izay heveriko fa hampiavaka ahy aho aloha, ka namorona ny “kawitry” izay nozaraiko ireny. Natahotra ihany sao tsy ho tian’ny olona, kanefa tonga dia nahavelom-bolo ny nandraisan’ny mpankafy ireo sanganasako voalohany tao anatin’ny rakikira “Toe zaka tianao”.
Nanomboka teo, nahavita rakitsary maherin’ny 30 izahay, izay “tubes” avokoa. Telo ny rakikira fihaino fa efa nisy sivy kosa ny “Best of”. Tsy voaisa ihany koa ny fampisehoana sy fandraisana anjara rehetra tontosa nandritra izay fotoana izay.
Nahazo fankasitrahana maromaro ihany koa aho nandritra izay. “Mpanakanto mafana” tamin’ny taona 2004, “Mpanakanton’ny taona” ny 2006, “Tube mafana” ny 2005 tamin’ilay hira “Kawitry”, “Meilleur duo” ny 2007 tamin’ilay hira “Samy mafoaka” ary “Meilleur groupe tropical” ny taona 2008.
Tao anatin’izay fotoana izay ihany koa no nahateraka ny JM Production. Natao hanampiana sy hisarihana ireo mpanakanto zandry ity trano mpamokatra ity, ary efa maromaro ireo nivoaka tao, toa an-dry Big MJ, Farah Johns, Simonda… Farany teo izao i Jeff Kolor, izay niaraha-nahita ny fandraisan’ny mpankafy azy teny Antsonjombe.
Tsy teo amin’ny mozika ihany anefa, fa nisy zava-bita ihany tamin’ny sehatra hafa. Efa ambasadaorin’ny Unicef, tamin’ny ady amin’ny aretina kitrotro aho. Efa ambasadarorin’ny tetikasa fampidirana an-tsekoly ny zaza, miaraka amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ihany koa. Nandray anjara tamin’ny tetikasa fiarovana ny tontolo iainana niaraka tamin’ny masoivoho amerikanina. Namorona hira maro ho an’ireo karazan’entana amidy. Namorona hira faneva maro ho an’ny fikambanana isan-tsokajiny ihany koa.
Azoko lazaina fa tanteraka tao anatin’izay 15 taona izay ny ampahany tamin’ny nofinofiko fahazaza. Noho ny mozika, efa nitety firenena maro toa an’i Kaomoro, Mayotte, La Réunion, Maurice, Belzika, Suiisse, Frantsa, Etazonia aho.
* Ho toy ny ahoana kosa ny 15 taona ho avy?
– Araka ny nambarako teo, maro ny tanteraka ny nofinofiko, saingy mbola maro lavitra noho izany koa ny tiako hotontosaina, raha sitraky ny ao ambony. Mbola mifantoka tanteraka amin’ny mozika aho izao, satria anisan’ny fanamby goavana hapetrako ny haha iraisam-pirenena ny mozika malagasy voiziko. Efa nanomboka izany fa mila asa mafimafy kokoa. Efa fantatry ny any ivelany ny salegy sy ny kawitry. Manana tetikasa maro amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto sy ny mpamokatra vahiny ihany koa aho. Mbola vonona aho hanome ny tsaratsara kokoa ho an’ny 15 taona manaraka sy izay taona hifandimby eo. Ny angatahako amin’Andriamanitra ny hanomezany ahy ny tanjaka sy fahasalamana hatrany hanatontosako izany. Isaorako koa ireo rehetra manohana ahy hatrany.
* Farany, ho toy ny ahoana ny tohin’ny fankalazana?
– Mazava loatra fa hisy ary hitohy ny fitetezam-paritra, tafiditra anatin’ny fanamarihana ny faha-15 taona an-tsehatra. Saika misy seho handraisanay anjara avokoa isaky ny faran’ny herinandro. Efa milamina iny ny “En forme tsara”, izay natao hanamarihana ny tsingerin-taona. Mitohy kosa ny famoronako hira vaovao. Araka ny nambarako teo, hisy ny fivoahana any ivelany amin’ny volana jona any, araka ny fangatahan’ireo mpankafy any ivelany. Mbola hisy ny fotoana hizarako amin’ny fomba ôfisialy ilay tetikasa goavana ketrehinay ato ho ato.