
Roso ny dia ho an-dRajoharison Nirintsoa, ilay teratany malagasy monina any Frantsa ary mandray anjara amin’ny fifaninanan-kira « Nouvelle Star ». Tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana izy, izany hoe: iray amin’ireo folo hiatrika izany raha toa ka miisa 10.000 ny mpifaninana tany am-boalohany.
“How deep is your love”. Io hiran’i Calvin Harris io no nentiny nambabo ny fon’ny mpitsara, ny talata hariva teo. .. ary tratra tokoa ny tanjona. “Tsy ny handresy amin’ity fifaninanana ity anefa no tena tanjona goavana sy hiafarana fa ny haneho ny tontolona mozika misy ahy”, hoy izy, raha nanontanian’ny mpanao gazety vahiny. Araka izany, heverina ho lalana iray mampifandray azy amin’ny mpankafy mozika eran’izao tontolo izao ny fifaninanana “Nouvelle Star”.
Ambaran’i Nirintsoa fa traikefa be dia be no hitany nandritra ny dingana samihafa amin’ity fifaninanana ity. Nanampy azy betsaka ka nahatrarany izao dingan’ny famaranana izao kosa, araka ny voalazany, ny soso-kevitra sy ny fanampian’ireo mpitsara sasany, toa an’i Joey Starr.
Tsara ny manamarika fa, ankoatra ny mpitsara, lasa manan-danja amin’ity fifaninanana ity ny fitiavan’ny olona azy, amin’ny alalan’ny fanindriana ny “j’aime” ao amin’ny pejy “facebook” an’ny “Nouvelle Star”. Hatreto, miisa 1.880 izany ho an’i Nirintsoa.
Landy R.