
Mpanakanto avy any Toliara mihira ny sanganasan’ireo mpanakanto manana ny lazany i Syssie C. Anisan’ny hira nokaloiny ny « Ifonako » kaloin’i Jeannot, « Dia ho nofiko ve ? », tarika Hasina sns. Efa mandeha any amin’ny haino aman-jery ireo hira ireo. Hanana endrika seho fampahafantarana ity mpanakanto ity ny hotontosainy etsy amin’ny Telozoro Andrefan’Ambohijanahary, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Seho sehatra voalohany ataony amin’ity taona ity taorian’ny nanapahany hevitra hirotsaka eo amin’ny sehatry ny kanto.
Manana ny hira noforoniny manokana ihany koa anefa i Syssie Cover. Anisan’ireny ny « Cabaret mikalo vazo » izay lohatenin’ity seho ity rahateo. Hiezaka ny hamoaka ny rakikirany voalohany amin’ity taona ity izy. Fantatra fa tsy mihira sanganasana mpanakanto vahiny i Syssie C. fa ireo namany mpiara-manao mozika aminy no mikalo izany.
Aorian’io seho voalohany io, eny amin’ny Le Jardin By Pass indray no ahitana azy manaraka.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto