Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Julie Iarisoa : misokatra amin’ny kanto samihafa ny espace Maray

$
0
0
JULIE

Misokatra amin’ny karazan-javakanto sy kolontsaina marolafy ny espace Maray, eny Androndrakely, tantanin’i Julie Iarisoa, fantatra eo amin’ny tontolon’ny dihy ankehitriny. Porofon’izany, hisokatra amin’io volana mey io ny fampianarana mively djembé. Eo koa ny fampianarana dihy sy ny dihy fampihenam-batana.

Maro be ireo nangataka ny hisian’ireo taranja ireo ka izay no nahatonga anay nanapa-kevitra hanokatra azy. Mbola hitombo tsikelikely sy miandalana ny karazan-javakanto hafa hisy ao any aoriana”, hoy i Julie Iarisoa. I Leiky Rakoto no mampianatra djembé. Iantsorohan-           dRandrianirina Bienvenu ny dihy hip hop sy fitness. Sahanin-dRazafindrakoto Tanteliniana sy i Julie Iarisoa kosa ny dihy “maray” sy ny dihy ankehitriny. Raha tsiahvina, misy koa ny tetikasa “Danse pour tous” na dihy ho an’ny rehetra, fampianarana dihy maimaimpoana, atolotry ny kaompania Anjorombala, tarihin’ity mpanakanto sangany ity.

Marihina fa mandray anjara amin’ny “festivals” vitsivitsy eto an-dRenivohitra, amin’izao fotoana izao, i Julie Iarisoa. Hanomboka amin’ny volana jolay kosa ny fivoahany any ivelany. Handray anjara amina atrikasa sy “festivals” maromaro izy. Anisan’izany ny “Bates dance festival” any Etazonia.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503