![????????????????????????????????????]()
Niverina amin’izay ! Tsy havela ho very maina ny ezaky ny mpanakanto nandritra ny taona nivalona. Natao hankasitrahana azy ireny ny hetsika.
Nanomboka tamin’ny “RDJ Mozika 2005” ary niato tamin’ny “RDJ Mozika 2009”. Mahafaly ny fianakaviamben’ny kanto, indrindra ireo mpanakanto, ny fiverenan’ity hetsika ity indray. Natao hankasitrahana ny zava-bitan’ireo mpanakanto nandritra ny taona vao nodiavina mantsy izany, izay karakarain’ny Onjampeon’ny tanora (RDJ).
“Arakaraka ny fangatahan’ny mpihaino ny hira sy ny fandehanan’izany matetika ao amin’ny onjampeo no nakana ireo hosafidina isan-tsokajy. Voarakitra avokoa ny fandehanan’ny hira mandritra ny taona iray”, hoy ny nambaran-dRasolojaona Tahiana (Jaytaxx), tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny onjampeo sy amin’ny fikarakarana ny hetsika.
Notsinjaraina ao anaty sokajy 11 ireo hira, mpanakanto, ary fampisehoana voafantina. Anjaran’ny mpankafy irery ny misafidy izay mendrika aminy fa tsy misy mpitsara hafa. Efa nanomboka ny 8 febroary ny fifidianana ka tsy hifarana raha tsy ny 27 febroary. Izay mahazo isa maro indrindra isan-tsokajy no homena ny anaram-boninahitra, mandritra ny lanonana goavana izay hotontosaina ny 27 febroary, eny amin’ny CCI Ivato.
Zo ny Aina
Ireo sokajy hifaninanana:
1- Mozika mafana
Wawa-“Manonga l’escalier”, Tence Mena-“Midira”, Barinjaka-“Patron’aomby”, Lyanah-“Salegy pok pok”, Daddi Love-“Fomban’ny ngôma”, Vaiavy Chila-“Amboara Prix”.
2- Mozika Mihetsika
Eusebia & Dat’Kotry-“On s’en fout”, Stéphanie-“Tsyfoiko”, Nina’s-“Efa be”, Onja-“Fitia tsy mizarazara, Lôla-“Tsisy frein”, Big Mj-“Poupousy”.
3- Mozika Rap/Rn’B
Bamb’s-“Andriambavilanitra”, Joyce Mena Makoa-“Mijoro foana”, Rapadango-“Volana”, SpyD-“Lasa”, Tsôta-“Rakaieko ny fonao”, X-Tah-“Boombap mpiondana”
4- Mozika “tendance”
Agrad & Skaiz-“Faly”, Dalvis-“I love you”, Dj Gouty & Odyai-“Samy malagasy”, Gangstabab-“Ianao iny”, Jazz MMC & Kaej-“Baby Darling”, Kougar-“Zomba gasy”.
5- Mozika “duo”
Firmin & Narindra-“Tsaroana foana”, Théo Rakotovao & Dô Rajhonson-“Tsy maninona”, Lôla & Black Nadia-“Mila anao”, Tobia & Johanna-“Tsiory”, Meizah & Jessi Flavi One-“Nouvelle danse”, Roy Rakoto & Groove-“Ento milamina”.
6- Mozika “Variété”
Samöela-“Taraiky”, Princio-“Allô! Jesosy tompo”, Melky-“Lasanao any”, Matsubara-“Avotoro”, Mija-“Tsyfoeko”, John Oabmar-“Indray andro tsy hita maso”.
7-Mozika fiderana
GAM-“Fa ianao no rehetra”, Joseph d’Af-“Rahoviana”, Ny avo-“Voady”, Singer’s of Jesus-“Hampifaly anao”, TDL-“Décision”, TGC-“Tiako e!”.
8-Mozika milamina
Black Nadia-“Omeo chance”, Lôla & Safidy-“Ho iray safidy”, Melky-“Tsy ianao irery”, Nina’s-“Asio fanajana”, Théo Rakotovao-“Izy”, Tif à Tif-“Tsapako amin’izay”.
9- “Spéctacle de l’année”
Lôlô sy Mahaleo (Coliséum), Raboussa (Palais des sports), Tana in Rock (Antsahamanitra), Tempo Gaigy sy Tif à Tif (Antsahamanitra), Tselatra (Antsahamanitra), Wawa (Coliseum).
10- « Révélation de l’année »
Martiora Freedom, Mija, Jess Flavi One, Joyve Mena Makoa, John Oabmar, Matsubara.