Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all 10503 articles
Browse latest View live

« Ireo kalonay sy i Neny omaly » : seho hanamarihana ny fetin’ny reny

$
0
0
KALONAY

Raha hira fanomezam-boninahitra ny reny sy ny vehivavy amin’ny ankapobeny, manana maro isika. Ampahany amin’ireny ihany anefa no hoentin’ireo mpanakanto vitsivitsy anatin’ilay seho « Ireo kalonay sy i Neny omaly ». Seho hotontosaina ny zoma 27 mey izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva izany, etsy amin’ny CCEsca Antanimena.
Araka ny lohahevitra mantsy, ireo kalon’ny fahiny sy hiran’ny omaly, miresaka ny reny sy ny manodidina azy no hovelomin-dry Salomon, Gothlieb, Luk, Lilie, Elie ary Fenitra mandritra izany. Sanganasan-dry Naly Rakotofiringa, Barijaona, JJ Seheno, sns, izy ireny. Namerina sy nanavao kosa no anjaran’ireo mpanakanto ireto, araka ny efa hita amin’ireo rakitsary mandeha amin’izao fotoana izao.
Santionany amin’izany ny “Vavaka ho anao ry Neny”, “Manimanina an’i Neny”, “Neny ô”, sns. Hira mahakasika ny reny avokoa izy ireny, izay hatao mandritra ny tapany voalohany. Ireo hira fikalokalon’ny reny ao an-trano kosa no handravaka ny tapany faharoa amin’ny seho, raha ny nampitain’ny mpikarakara. Hisongadina ny fampiaraham-peo hataon’ireto mpanakanto ireto mandritra ny fotoana. Na izany aza, hisy ihany ny hira rodobe, toa ny “Fara hafatra”, “Mba jerijereo”, sns. Saika efa fanaon’ireo mpanakanto ireto mandritra ireny seho famerenana ny hiran’ny omaly sy kalon’ny fahiny ireny rahateo avokoa izany no halahatra ao.

Zo ny Aina


« Fitafy anatiny » : antsa tononkalon’i Malalatiana H, Tolotra A. ary Felana

$
0
0
FITAFY

Toy ny fanaony isam-bolana, mitohy hatrany ny fiantsana tononkalo tontosain’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely isaky ny asabotsy fahefatra amin’ny volana. Ny 28 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, hanolotra ny antsa « Fitafy anatiny » i Malalatiana Hasina sy Tolotra Arinandriana ary Felana.

Nataon’izy telo vavy ho tsiambaratelo, hatreto, ny hevi-dehibe fonosin’ity lohateny ity. « Amin’io fotoana io no hahafantaran’izay manotrona ny antsa sy mamaky ny boky amboaran-tononkalo « Fitafy anatiny » ny tena votoatiny », hoy i Felana. Hifanotrona amin’izy telo vavy ireo ny mpiray faribolana sy ireo mpihira sy mpamorona sakaizan’ny Sandratra. Hisy mpanakanto tsy ampoizina, mpankafy haisoratra sy haisary hitondra ritsoka ho an’ny mpianoka amin’io.

Marihina fa ao anatin’ny fanatanterahana ny tononkalo mitety vazantany, ankehitriny, ny Faribolana Sandratra. Fianarantsoa, Ambositra, Antsirabe, Betafo ary hofaranana ao Ambatolampy ny « Soradia ».

HaRy Razafindrakoto

 

« …Mandrakizay » : manohy ny fanamby amin’ny seho goavana Raboussa

$
0
0
????????????????????????????????????

Mitohy ny lalana ho an-dRaboussa. Tonga indray ny fotoan’ny fanamby fa indrindra, fotoana ifanomezana amin’ireo mpankafy…

Izy irery no mpanao rap nahangona mpijery maro, ka nahafeno ny lapan’ny Fanatanjahantena. Izy irery ihany koa no naharitra indrindra teo amin’ny laza, amin’ireo mpanakanto mpivoy izany kanto izany eto amin’ny tanàna… Mbola manohy hatrany ny fanambiny Raboussa, dia ny « Rap mandrakizay » araka ny hirany.
Fantatra izao fa hiverina hanolotra seho goavana etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina indray ity mpanakanto ity ny alahady 5 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « Samy hahazo avokoa ny maso sy ny sofina. Tena fampisehoana hampirevena ny mpankafy izany », hoy Raboussa, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly.
Ekipa maro no indray hifarimbona haha raitra ny seho. Hasongadina kokoa ny ravaka, mifanaraka amin’ny kolontsaina an-tanàn-dehibe. Hampiasana ny teknolojia vaovao mihitsy izany, mba hiavaka kokoa noho ny tamin’ny taon-dasa, raha ny fanazavan’ny avy ao amin’ny Sary sy Feo, mpikarakara ny hetsika.
Mikasika ny rindra an-tsehatra, hisy ampahany arahin’ireo mpitendry ny hiran-dRaboussa sy  Fy. Hisy hira hafa kosa arahin’ny DJ Deem, mpikosoka kapila avy any Frantsa, efa mpiara-dia amin’ny tarika. Mba hahafeno ny fampisehoana, hisy koa mpanao feo lafika hanaingo ireo hira halahatra amin’io.

« DVD » voalohany
Efa namoaka rakikira efatra Raboussa, nandritra izay 15 taona nisian’ny tarika izay.Nahavita « VCD » iray ihany koa. Fantatra kosa izao fa  hamoaka ny « DVD » voalohany izy ireo, amin’io fampisehoana io. Hahitana rakitsary enina, ampahany amin’ny seho notontosaina tamin’ny taon-dasa ary resadresaka manokana tamin’ireo mpanakanto izany. « …mandrakizay », avy amin’ilay hira « Rap mandrakizay » ihany ny lohatenin’ity vokatra vaovao ity.

Zo ny Aina

Raboussa : un DVD et un concert au programme

$
0
0
????????????????????????????????????

Cinq ans après la parution de son dernier album en 2011, Raboussa sort «… Mandrikizay», un recueil de nouveaux clips qu’il présentera sur scène au palais des Sports à Mahamasina, le 5 juin prochain.

Rap tout court, rap pour toujours, Raboussa perpétue la tradition. Après le grand show intitulé «Tsiky sy tomany» donné au palais des Sports à Mahamasina, l’année dernière, dans le cadre de la célébration de ses 15 ans de scène, le voilà de retour dans ce cadre prestigieux pour la bonne musique. «Le rendez-vous est fixé pour le 5 juin prochain», a annoncé, hier, Sary sy Feo, le producteur de cet événement.

Il ne s’agit pas d’un simple spectacle pour le groupe et le producteur, ce sera également l’occasion de présenter le nouvel album de Raboussa, un DVD intitulé «…Mandrakizay», disponible en deux versions «Premium»  – de très grande qualité en édition limitée –  et «Standard» – à la portée de toutes les bourses-. Cet opus qui comprend sept nouveaux clips et des interviews ne sortira que le jour du spectacle, pourtant la commande pourra se faire dès l’achat du ticket d’entrée. «Cette mesure a été prise pour limiter les dégâts que peuvent causer les pirates», explique Tsiry, responsable de Sary sy Feo.

Tom ne sera pas de la partie

Le spectacle sera marqué par la présentation du contenu de ce nouvel album, sorti cinq ans après le dernier album de Raboussa, «Revinay» (2011). «Dans le répertoire, l’on retrouvera également les tubes et les titres grâce auxquels le public a apprécié le groupe», confie Niry alias Raboussa. «Notre objectif est qu’à la sortie de la salle, vers 19h, dans les taxis-be et dans les rues, tout le monde chante encore les œuvres signées par le groupe», poursuit-il.

A cause de ses responsabilités, «Tom ne sera pas de la partie lors de ce spectacle», annonce Niry. Déjà sa photo ne figure même pas sur la pochette du nouvel opus. Par contre, Fy, la chanteuse sera bel et bien présente comme Dim, le deejay attitré du groupe qui foulera le sol malgache la semaine prochaine. Le leader de cette formation musicale de préciser alors que cet autre membre fondateur du groupe ne sera pas remplacé pendant ce show. Néanmoins, des choristes, des musiciens et des danseurs accompagneront le groupe durant le spectacle.

«Raboussa proposera une prestation digne des messages qu’il a incessamment véhiculés dans ses chansons, pour ses inconditionnels admirateurs, les amateurs de la musique hip hop», communique le producteur du spectacle.  Pour sa part, Sary sy Feo promet  toujours de la qualité et de l’innovation, non seulement pour la bonne tenue du show mais également pour la réalisation de «…Mandrakizay».

Vonjy M.

Poopy : la célébration de ses 30 ans de scène continue

$
0
0
????????????????????????????????????

Comme annoncé, Poopy fait son grand retour cette année, tout en célébrant ses 30 années de carrière musicale. Après le dernier concert qui a cartonné au palais des Sports et de la culture à Mahamasina, elle projette un autre spectacle, dimanche prochain, au Carlton Anosy.

Après plusieurs années d’absence sur la scène musicale, l’interprète de «Tahak’izay» est actuellement prête à renouer avec ses milliers de fans à l’occasion d’un certain nombre de spectacles dans la capitale.

Ainsi, dans le cadre de la célébration de ses 30 ans de scène, elle sera sous les feux des projecteurs, le 29 mai prochain, au Carlton Anosy et sera accompagnée de ses fidèles musiciens. Selon l’organisateur, une trentaine de titres seront au programme. En effet, Poopy interprétera ses plus grands tubes, entre autres, «Raha nofy», «Satria tiako»… et dévoilera aussi ses nouveautés.

Par ailleurs, et dans le cadre de la fête des Mères, elle propose un coffret anniversaire, composé de trois DVD et un CD Best of. L’un de ces DVD contient ses anciens clips vidéo, sortis vers le tout début de sa carrière, l’autre est un double DVD du live du mois de février dernier, au palais des Sports et de la culture à Mahamasina.

Si le premier spectacle de Poopy était un rendez-vous incontournable, ce deuxième l’est tout autant, particulièrement pour les irréductibles fans qui espèrent être davantage plus près de leur idole. D’ailleurs, les organisateurs restent assez peu loquaces quant aux prochaines apparitions de l’artiste afin que chaque moment passé ensemble soit une rencontre émouvante.

Holy Danielle 

Paris : E-fanorona au salon de la Culture

$
0
0
PARIS

Après le festival des Jeux de Cannes,  Nantes en Francophonie et les Rencontres nationales sportives (RNS) de Lyon,  E-fanorona s’invite au 17ème Salon de la culture et des jeux mathématiques de Paris, ce jour jusqu’à dimanche.

«Plus facile que le jeu d’échecs mais plus excitant que le jeu de dames, le fanorona est un jeu de stratégie traditionnel malgache dont l’objectif est de prendre toutes les pièces de l’adversaire. C’est un jeu de type analyse combinatoire abstrait», ont détaillé les développeurs.  Visiblement, Nelli Studio a révolutionné le jeu de plateau traditionnel malgache en le remettant au goût du jour. Outre les trophées qu’il a raflés sur le plan international, E-fanorona participe pour la troisième fois de suite à ce prestigieux salon qui a pour objectif de sensibiliser le public à l’impact socio-économique des mathématiques dans la vie quotidienne. Pour l’occasion, les visiteurs pourront découvrir et s’essayer au fanorona sur plateau de bois comme sur plateau numérique.

«Nous souhaitons vivement faire tout notre possible afin de lancer un concours à l’échelle internationale sur internet, d’autant plus qu’il peut être joué dans plus de 32 pays maintenant», a fait savoir Herizo Rakotondramanana, responsable auprès de Nelli studio.  Paru pour la première fois en 2014, E-fanorona est actuellement jouable dans sa 4è version.

Joachin Michaël

Rindrankira : hiaka-tsehatra ny Ampifitia sy Amam

$
0
0
AMPIFITIA

Feno 10 taona ny fiangonana FJKM Fonja Fiarenana Antanimora. Ho fanohizana ny fitaizam-panahy amin’ireo voafonja, sady ho fanamarihana io vanim-potoana io, manam-pikasana hanorina « Chapelle » vaovao ny Fitandremana fonja Fiarenana Antanimora. Hoenti-manana amin’ny fanaovana izany trano fivavahana izany, hanatanteraka rindrankira ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny tarika Ampifitia sy ny Amam Miray Andrainarivo, ny alahady 29 mey izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.

Raha tsiahivina, anisan’ny tarika manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny hira ara-pilazantsara na hira evanjelika ny Ampifitia sy ny Amam. Manana karazana gadona maro hoenti-manandratra ny voninahitr’Andriamanitra izy ireo. Ahenoina an’izany ny hira « Fifonana », Inty aho », « Fahano ny ondriko », « Eny », « Soa Jeso fa eo Ianao », Tokim-panompoana », sns, an’ny tarika Ampifitia.

Mahatratra12.108.600 Ar ny vola holanina amin’ity fananganana « Chapelle » eny amin’ny fonja Fiarenana Antanimora ity. Heverina ho vita ny volana jolay izany.

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

 

Hosodoko : mizara ny traikefany hatrany i Arthur

$
0
0
ARTHUR

Mbola tanora dia tanora saingy efa 13 taona nilomanosana tao amin’ny tontolon’ny hosodoko i Nary Arthur. Ny fampiasana lokorano, ny fanaovana sariolona na “portrait” sy ireo trangam-pîainana na zava-misy andavanandro no tena ahafantarana azy.  Mankafy ny sary amin’ny endriny rehetra ity mpanakanto ity.

Anisan’ny manosika azy hivelatra kokoa izany. Nanatevina ny fahaizany tantara an-tsary na “bande dessinée”, ohatra, i Arthur. Nanohana azy tamin’izany Ramika, saingy nampiato ny fanatontosana ny tetikasan’izy roa lahy ny fodiamandrin’ito farany, volana maromaro lasa izay. Na izany aza, faniriany ny ho lasa lavitra ihany koa eo amin’ny sehatry ny BD.

Fa etsy ankilan’izay, raha mitaha amin’ireo tanora miara-dia aminy, mampiavaka an’i Arthur ny finiavany sy ny fitiavany mizara traikefa amin’ny ankizy sy ny tanora toa azy. Roa taona teo ho eo izay, manao fampirantiana maharitra eny amin’ny foiben’ny zavakanto, eny amin’ny Akamasoa eny Ambohimahitsy, ity mpanakanto ity. Tafiditra indrindra amin’ny fanamarihana ny faha-25 taona niorenan’ity foibe ara-tsosialy ity izany.

Anisan’ny tanjoko amin’ity hetsika ity ny hisarika ny ankizy ety amin’ny Akamsoa hankafy zavakanto, toy ny hosodoko”, hoy i Arthur. Ho an’ireo liana sy te hahay ny fototr’ity zavakanto ity, vonona ny hizara ny fahalalany sy ny traikefany izy. Efa maro ireo nanatona sy nanaraka atrikasa taminy, hatramin’ny nanombohan’ny fampirantiana, araka ny voalazany. Maimaimpoana avokoa izany.

Marihina fa eo am-panomanana ny fanamarihana ny faha-15 naha mpanao hosodoko azy ihany koa i Arthur, amin’izao fotoana izao, na mbola afaka roa taona aza izany, araka ny nambarany hatrany.

Landy R.


Tsy mbola lefy laza : sehatra 210 no hatrehin’ny tarika mpihiragasy iray isan-taona

$
0
0
????????????????????????????????????

Vanim-potoan’ny maintany, manomboka manatanteraka adin-kiragasy ny mpiangaly izany. Efa azony diavina rahateo ireo lalana mivoaka ivelan’ny Renivohitra. Misy ny mahavita adin-kiragasy maro mandra-pahatonga ny fahavaratra.

Mamaritra ny fanombohan’ny taom-pilalaovana ny fiandohan’ny ririnina, toy izao, ho an’ireo tropy mpihiragasy. Mitobaka ny kolontsaina vahiny, mihamiroborobo hatrany ny fivavahana kristianina ary mihalalina ny fahantran’ny ankamaroan’ny malagasy. Ireo rehetra ireo, mety hanakana ny fanatanterahana ireo fomba amam-panao malagasy, mifamatotra amin’ny hiragasy.

Na izany aza, tsy mbola lefy laza ity zavakanto ity. Porofon’izany, ohatra, manodidina ny 210 ny sehatra hiakaran’ny tarika Rainitelo, mandritra ity taom-pilalaovana ity, araka ny nambarany. “Tsy nisy fiovana loatra izany, raha miohatra amin’ny teo aloha”, hoy hatrany izy. Marihina fa anisan’ireo kalaza amin’ny hiragasy ity tropy ity.

Ny fianakaviana mikarakara famadihan-drazana sy ny fikambanana na rafitra samihafa manatontosa foara sy kermesy no tena misafidy ny adin-kiragasy. Raha ny nambaran-dry Rainitelo hatrany, mbola mitana ny lohalaharana amin’ireo ny any amin’ny famadihana sy ny kermesy.

Mitaky zava-baovao hatrany ireo mpankafy hiragasy, na ny eto an-dRenivohitra, indrindra, ny any ambanivohitra. Na amin’ny tononkira io na amin’ny seho ety ivelany (fitafy, sns). “Tsy maintsy mamoron-kira vaovao fa tsy mety raha ny teo aloha ihany no averina. Ny anay izao, hasongadina kokoa ny resaka fihavanana satria, ankehitriny, variana loatra amin’ny fitadiavam-bola ny rehetra, hany ka adino tanteraka io soatoavina malagasy io”, hoy hatrany Rainitelo.

Marihina fa, farafahakeliny, enina hetsy ariary ny karaman’ny tarika mpihiragasy iray. Miankina amin’ny halaviran’ny toerana hanaovana ilay adin-kiragasy no mahalafo izany. Mianto-tena mantsy izy ireo amin’ny fitaterana.

Landy R.

SK Melody : mitohy ny revy Raberanto

$
0
0
Raberanto 2705

Fanamby napetraky ny tarika Raberanto ny hanatanteraka seho mitohy amin’izao fiverenany izao. Tontosa ny tao amin’ny CCEsca Antanimena. Eny amin’ny SK Melody Mandriambero indray no hifamotoana amin’ny mpankafy ny kanto, ity tarika manana ny maha izy azy ity, anio manomboka amin’ny 9 ora alina. « Mitohy ny revy Raberanto », hoy i Gégé Rasamoely, iray amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika.

Hitombo ny isan’ny hira hatao mandritra ity cabaret ity, raha oharina tamin’ny seho voalohany, raha ny fanazavan-dRazafinarivo Miary, « manager »-n’ny tarika Raberanto. Hisy ihany koa fihirana sanganasan’olon-kafa hataon’ny tarika. « Tsy ho maro akory ireo fa efatra raha be indrindra », hoy hatrany ny mpikarakara. Hizara roa ity alim-pikoranana ity ka hanelanelana ny fizarana voalohany sy faharoa ny fampandihizana miaraka amin-dry zareo mpihira sy mpitendry zavamanenon’ny SK Melody.

Aorian’ny cabaret anio alina, hanatanteraka fampisehoana sy fiakarana an-tsehatra maromaro ny tarika Raberanto. « Rehefa vita izay, hanao fampisehoana ao Antsahamanitra izahay amin’ity taona ity », hoy hatrany i Gégé Rasamoely.

HaRy Razafindrakoto

Mikatsaka ny tsena any ivelany : hampiara-peo amina mpanakanto vahiny i Stéphanie

$
0
0
STEPHANIE

Mitohy ny lalana… Taorian’ny fihodinana nataon’i Stéphanie sy ny tariny tany Frantsa, nampahafantatra zava-baovao ny mpikarakara ny tarika, omaly. Araka ny nambarany, hisy ny fampiaraham-peo hataon’i Stéphanie miaraka amina mpanakanto vahiny roa, ka ny iray avy any Antilles ary ny iray kosa avy any Jamaïque. Mbola tsy nambara kosa ny anaran’ireo mpanakanto ireo. Anisan’ny vaovao lehibe, mankany amin’izay fikatsahana ny tsena iraisam-pirenena izay ny fiaraha-miasan’i Stéphanie amin’ilay trano mpamokatra « Madagascar Beautiful Live Music », izay mpikaroka ny lalana any ivelany. Eo amin’izay lafiny fiaraha-miasa izay ihany, hivoaka ato ho ato ilay hira fampiaraham-peon’i Shyn sy i Stéphanie.
Mikasika ny vaovaon’ny tarika kosa, fantatra fa hiaka-tsehatra etsy amin’ny Le Glacier Analakely ry Stéphanie, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. « Indray isan-taona ihany izahay no manao « cabaret » ao. Tsy toa ny mahazatra ny fisehony amin’ity, satria hanolotra seho ora telo tsy an-kiato i Stéphanie farafahakeliny”, hoy hatrany ny nambaran’ny mpikarakara ny tarika.
Aorian’izay, hisy ny fampiaraham-peo iarahan’i Stéphanie amin’i Zara, Kopi Kolé Wawa. Ito farany kosa no hanohy sy hamarana ny fety amin’io fotoana io. “Homena fofony amin’ireo hira vaovao handrafitra ny rakikira faharoa ireo mpankafy izay ho tonga ao”, hoy hatrany ny fanazavana. Anisan’ireny hira vaovao ireny ny “Tsara mama”, “Mila fitiavana”, “Tsaho”, “Toronao indray izao”, sns.

Zo ny Aina

Fotodrafitrasa hitsenana ny frankofonia : nidina ifotony ny ekipan’ny fiadidiana ny Repoblika

$
0
0
????????????????????????????????????

Nirodorodo teny amin’ny kaominina Ivato sy ny manodidina ny ekipan’ny fiadidiana ny Repoblika izay notarihin’Andriamatoa mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena, Ratsiferana Hugues, sy ny mpandrindra ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny kolonely Ramiaramanana Joseph, ary ny kolonely Rakotovao.

Nijery akaiky ny fotodrafitrasa maika tokony hatao amin’ireo kaominina handraisana ny frankofonia izy ireo niaraka tamin’ireo ben’ny Tanàna tamin’ireo kaominina maromaro (Ivato, Ambohibao, Talatamaty, Bongatsara….

Ho an’ny kaominina Ivato, nijery ny tsena izay anisan’ny asa maika tokony hatao ao an-tanàna ny ekipan’ny fiadidiana ny Repoblika. Nitety ny tao anatin’ny tsena izy ireo ary nahita ny fanamboarana tokony hatao. Efa vonona rahateo ny kaominina amin’ny “plan”  manara-penitra efa novolavolaina  hanamboaran ity tsenabe ity.

Nilaza ny ben’ny Tanànan’Ivato Randrianarisoa Penjy fa mendrika ny fanamboarana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa ny kaominina Ivato noho izy vavahadin’i Madagasikara, hivezivezen’ireo vahiny.
Nijery akaiky ny fanamboaran-dalana ihany koa ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Efa mandeha ny asa fanamboaran-dalana miala eny Tsarasaotra mihazo an’Ivato. Mbola eo am-pandinihana ny fivoahan’ny lalam-baovao ao an-tanànan’Ivato kosa ny teknisianina mba tsy hisian’ny fandravana trano betsaka.

Tatiana A

Rencontre musicale : des spectacles gratuits au programme

$
0
0
????????????????????????????????????

Dans le cadre de la promotion de la musique classique, la première édition de l’évènement «Rencontre musicale» bat son plein. Plusieurs spectacles se sont déjà déroulés dans plusieurs sites de la capitale, mais le meilleur reste encore à venir. En effet, une soirée opérette se tiendra ce soir, à la Tranompokonolona Analakely. Trois groupes interpréteront des compositions de J. Offenbach. Le Cantus troup interprétera «La belle Hélène », Chœur Miangaly jouera «Orphée aux enfers», et Laka ensemble a choisi «La vie parisienne».

Demain, une soirée spéciale musique de chambre se déroulera à l’Alliance française d’Antananarivo (AFT) avec la participation de différentes écoles de musiques à Madagascar, entre autres, Cgm, AEM, Laka, LMM, Ami, Ratefy, Aria Académie, Talenta…

Et enfin, pour clôturer en beauté cette première édition de la Rencontre musicale, le chœur d’hommes de Madagascar, accompagné de Luc Ragomaharosoa, se produira à la FJKM Amboninampamarinana. Ce grand chœur est composé de 200 choristes issus de sept églises différentes, lesquels rendront hommage à Lucien Randrianarivelo.

Holy Danielle

Ando Ramalanjaona Ralamboson : un concert en faveur des enfants

$
0
0
ANDO

Dans le cadre d’une levée de fonds, la chanteuse Ando Ramalanjaona Ralamboson donnera un concert de musique classique, le 28 mai prochain, à l’hôtel Le Louvre à Antaninarenina. Ce sera son deuxième grand concert en faveur de l’humanité.

«J’ai toujours souhaité aider les enfants», a déclaré la chanteuse Ando Ramalanjaona Ralamboson, âgée seulement de 13 ans. L’année dernière, elle a déjà donné un concert pour une levée de fonds en faveur de l’école La Victoire à Ambolokandrina qui connaît un problème d’infrastructure scolaire.

En guise de contribution, la jeune chanteuse se retrouvera de nouveau sur scène. Une partie des recettes de son concert sera alors versée au bénéfice de l’établissement. «Nous allons prendre part à la construction de nouvelles salles de classes et les travaux commenceront à partir du mois prochain», a précisé l’organisateur de ce concert humanitaire. Baptisé «Rêve en musique», celui-ci sera réalisé en collaboration avec la Jeune chambre internationale (JCI).

Ando Ramalanjaona Ralamboson sera accompagnée de Jejy Music et interprétera différents styles de musiques allant du classique au jazz, en passant par le traditionnel. «Le spectacle durera plus d’une heure environ», a- précisé cette jeune artiste soprano, et le répertoire mettra plus d’accent sur les compositions d’Haendel.

Une jeune artiste passionnée 

Dès l’âge de 3 ans et demi, la jeune artiste a commencé à s’intéresser à la musique en jouant du piano. A 12 ans, elle interprétait déjà merveilleusement bien des compositions classiques de Mozart, de Chopin, de Robert Schumann et surtout d’Haendel. C’est ainsi qu’elle a donné son premier grand concert, l’année dernière, avec une seule idée en tête : mettre son talent au service des autres. «Je pense continuer dans cette voie pour accompagner ces élèves jusqu’à leur réussite», a-t-elle souligné.

Ando Ramalanjaona Ralamboson a participé récemment aux masters classes animés par l’Américain Peter Terry, dans le cadre de l’évènement «Rencontre Musicale». Elle a été invitée à prendre part à la restitution qui s’est tenue, dimanche dernier, à la FJKM Faravohitra. Bref, un bel avenir musical s’ouvre pour cette jeune chanteuse.

Holy Danielle 

 

Detenus d’Antanimora : un concert évangélique pour leur salut

$
0
0
AMPIFITIA

Dans le cadre de la célébration de son 10è anniversaire, l’église FJKM Fonja Fiarenana Antanimora projette de construire une nouvelle chapelle. Dans ce cadre, un concert de levée de fonds y est organisé le 29 mai prochain, avec la participation de deux groupes évangéliques, en l’occurrence Ampifitia et Amam-Miray Andrainarivo.

Même s’il s’agira d’un concert de levée de fonds, il sera gratuit, et  ce sera un système de quête qui sera adopté durant le spectacle. Selon les organisateurs, l’objectif est d’atteindre la somme de 12 108 600 ariary pour que la chapelle soit fonctionnelle à partir du mois de juillet prochain.

Cependant, le pasteur Alice Raharimanana, indique que la collecte restera ouverte, même en-dehors de ce concert, pour tous les donateurs dans le cadre de cette construction d’ une chapelle.

Holy Danielle


Glacier Analakely : Stéphanie et Zara à l’affiche

$
0
0
Stephanie

Stéphanie est bel et bien déterminée à aller de l’avant. Tout en gérant l’orientation de sa carrière vers l’international, dans le cadre de laquelle elle a récemment travaillé avec Madagascar Beautiful Live Music, cette artiste multiplie ses collaborations avec les artistes locaux et renforce sa présence sur la scène nationale. Après la sortie de «Tsara Mama», un titre qui témoigne la grandeur de l’amour d’une mère, à l’occasion justement de la fête des Mères, l’on a appris qu’elle prépare un duo avec Shyn.

En attendant la sortie de ce duo, l’artiste fera une apparition sur scène au Glacier à Analakely, ce soir, son unique show annuel dans ce cabaret le plus branché de la capitale d’ailleurs. A entendre le manager du groupe,  il s’agit de loin d’un cabaret où l’artiste ne fera qu’interpréter des œuvres musicales autres que les siennes, «ce sera un véritable spectacle durant lequel Stéphanie partagera le meilleur d’elle-même pendant environ trois heures d’affilée ».

Cette soirée sera l’occasion pour cette chanteuse en vogue de présenter au public tananarivien et aux adeptes des spectacles nocturnes, les noctambules, les nouvelles créations qui composeront son deuxième album dont la sortie est prévue pour bientôt. Parmi ces titres, l’on peut citer «Mila fitiavana», «Tsaho», «Toronao indray izao»…

Après la prestation de Stéphanie, Zara, le «kopi Kolé» de Wawa dans le cadre d’une émission téléréalité d’une station privée de la capitale, prendra le relais. Ce jeune artiste qui véhicule la musique tropicale chaude, travaille également de près avec Stéphanie actuellement. Raison de ce partage d’affiche, le temps de cette soirée qui s’annonce certainement chaude.

Vonjy M.

 

« Che Bel Canto » : hampiara-peo Olombelo Ricky, Liva A….

$
0
0
????????????????????????????????????

Ny « Manala Azy » hatrany no fantatra fa fotoana ifanomezana amin’ny Olombelo Ricky hatramin’izay. Hafa kosa, ary nahafaly ireo mpankafy ny nahafantatra fa hanao ny « Che Bel Canto » ity mpanakanto ity. Amin’ny maha “Che Bel Canto” azy, hampiara-peo amina mpanakanto hafa ny Olombelo Ricky. Nisafidy manokana ireo andriambavilanitra izy, amin’ny seho hotontosaina ny alahady 29 mey izao, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina.
Anisan’ireo nampiara-peo voalohany tamin’ny Olombelo Ricky i Liva Andrianavalona. Nanaitra ny sofin’ireo mpankafy hatramin’izay ny naheno indray ny “Naleoko ihany”, fampiaraham-peon’izy ireo. Hanamarika ny fiverenan’i Liva Andrianavalona eo amin’ny tontolon’ny hira ity seho ity. Anarana efa fantatra manaraka i Inah, izay nampiara-peo tamin’i Poopy sy Dadah Rabel. Efa heno tao anatin’ilay hira “Ditsoka” ihany koa ny feon’i Dina Voakaly, ka tsy zovina amin’ireo tena mpankafy intsony. Feo vaovao ary andrasan’ny rehetra kosa ny an’i Kaysha Gasy. Efa nisy ny hira noforonin’ny Olombelo Ricky ho azy, toy ny “Ialofako” sy “Efa lasa”.
Manaraka eo kosa ireo hira tena nahafantarana ny Olombelo Ricky hatramin’izay, izay nampitempo fo marobe, indrindra nandritra ny andiany rehetra tamin’ny “Manala azy”…

Zo ny Aina

Vaha kanto : hisy tsiahy an-dRamika

$
0
0
VAHAKANTO

Toy ny fanaony isan-taona, hanatanteraka ny hetsika « Vaha kanto » ny fikambanana Dian-tanamasoandro ny 3 jona ka hatramin’ny 22 jona izao ao amin’ny Cemdlac Analakely. Andiany fahenina izay hisy ampaham-potoana sy toerana ho fahatsiarovana an-dRatovoherinirina Michel na Ramika, iray amin’ireo nanangana ity fikambanana ity, 6 taona lasa izay.

Hisy ny fijoroana vavolombelona tamin’ny fiarahana tamin-dRamika tany anivona fikambanana samihafa, mpinamana. Fanolorana amboaran-tsoratra (tononkalo na asa soratra hafa) haranty na hantsaina.

HaRy Razafindrakoto

Volan’ny kanto an-dalambe : hifarana ny “Hetsik’Iray à l’U”

$
0
0
????????????????????????????????????

Nasongadina, nandritra ity volana mey ity, ireo endrika rehetra anehoana ny kanto an-dalambe, ho an’ny ADCM Craam eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Anisan’ireo zavakanto mahasarika ny tanora ankehitriny izy ity, hany ka tsy vitsy ireo nanaraka sy nandray anjara tamin’ireo hetsika samihafa notanterahina tamin’izany. Ambohipihaonan’ny tanora, rahateo, ny eny Ankatso.

Tsy ho latsa-danja amin’izay rehetra efa notanterahina teny, hatramin’ny niandohan’ity volana ity, ny hitranga androany, fotoam-pamaranana ny “Hetsik’Iray à l’U”, “festival” enti-manome lanja sy mampahafantatra bebe kokoa ny kolontsaina aty an-tanàn-dehibe. Hibahan-toerana ny fampisehoana ka hankafy dihy hip-hop ny maso, arahin’ny fiakarana an-tsehatr’i Name6. Eo koa ny fifaninanana na “battle hip-hop” ka hotolorana loka ireo mendrika indrindra.

Mampialavoly, indrindra ny tanora, ny kolontsaina sy ny zavakanto an-tanàn-dehibe. Matetika, heverina ho mivaona amin’ny fiarahamonina na maditra mihitsy aza ireo mpiangaly izany. Tsy izay anefa no tena marina satria, mivoy fitoniana sy fandriampahalemana hatrany, ohatra, ny hip-hop. Niara-dalana tamin’ny “Festival Hetsik’Iray à l’U” ny fanentanana mikasika izany. Teo koa ny lohahevitra mikasika ny fandraisana andraikitry ny tanora amin’ny fanajana ny tontolo iainana sy ny zavaboahary.

Tsiahivina hatrany fa manatevina ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto eny amin’ny Anjerimanontolo ny ADMC Craam, nanomboka tamin’ity taona ity. Anisan’ny fomba enti-manatanteraka izany ny fanomezana lohahevitra amin’ireo hetsika tontosaina mandritra ny iray volana.

Landy R. 

 

Art plastique : «Seconde vie » s’installe à l’Is’art galerie

$
0
0
Exposition 1

Après « Diseur de choses cachées », l’artiste plasticien, Maherisoa Rakotomalala, s’illustre à la teinturerie  de l’Is’art Galerie Ampasanimalo, ce mois de juin, à travers son exposition baptisée  «Seconde vie ».

Rien ne se perd…, tout se transforme. Cette célèbre phrase d’Antoine Lavoisier prend tout son sens comparé aux créations de Maherisoa Rakotomalala. « Redonner vie et beauté aux choses oubliées et abandonnées. C’est un peu dans cet esprit que l’on retrouve l’artiste plasticien Maherisoa, ce mois de juin, à l’Is’art. Cette nouvelle exposition mêle à la fois sculpture, peinture et objets de récupération pour donner une seconde vie aux matières usées. C’est aussi une belle façon d’allier l’art à l’écologie en apportant un regard neuf sur les choses », rapporte un communiqué.

Débordant d’imagination et de créativité, l’artiste contribue, non seulement à donner une seconde vie aux produits que l’on jette à la poubelle mais également à réduire leurs impacts environnementaux.  Après une exposition de peinture sur le « Sikidy » l’année dernière, «Seconde vie » s’installe à l’Is’art Galérie du 2 au 23 juin prochain. Pour l’artiste, une exposition par an est un bon rythme pour perfectionner son style mais en outre, pour fidéliser le public.

Artiste plasticien, illustrateur, peintre et dessinateur, Maherisoa a plus d’une corde à son arc. A tout juste 25 ans, il tient sa particularité de sa parfaite maîtrise des matières et des techniques de création. « Passionné de peinture et de dessin depuis l’enfance, je travaille une technique mixte pour la réalisation de certaines de mes œuvres, parfois axées sur le concept religieux et spirituel malgache ou inspirées par des faits quotidiens, des visions et des imaginations », a fait savoir le jeune artiste.

Joachin Michaël

 

Viewing all 10503 articles
Browse latest View live