
Miezaka manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny fikambanan’ny trano fanontana boky eto Madagasikara na ny Aedim.
Manomboka amin’ny alatsinainy 24 oktobra izao hatramin’ny 28 oktobra, hiofana momba ny fanontana nomerika (fa tsy amin’ny taratasy tahaka ny mahazatra) ireo mpikambana.
Manohana izao fiofanana izao ny sampana iray misahana ny nomerika sy ny toekarena, ao amin’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny frankofonia (OIF). Eo ihany koa ny Institut français de Madagascar (IFM), mampiantrano ny fiofanana.
Mihazakazaka ny firoborobon’ny fanontana boky sy antontan-kevitra samihafa amin’ny alalan’ny nomerika, any amin’ny tany mandroso. Mitaky fanovana lehibe izany, indrindra ho an’ireo trano fanontana. Ho an’ny eto amintsika, nambaran’ny mpikarakara ity fiofanana ity fa tsy mbola mahalala sy mahafehy tanteraka ny resaka nomerika ny trano fanontana.
Anisan’ny hiompanan’ny fiofanana àry, ohatra, ny fototry ny atao hoe fanontana boky nomerika, ny fampiasam-bola takin’izany fiovana izany, ny resaka lalàna sy zo samihafa raha hanonta boky nomerika, ny fomba fivarotana ireny boky nomerika ireny, sns.
Hiantsoroka ny fanofanana i Mouhammed Diop, teratany senegaley, efa nampiofana momba ny fanontana boky nomerika, tany Abidjan ny volana mey lasa teo. Mbola ambany ny tahan’ny famakiam-boky eto amintsika. Inoana fa hanatsara izany ny hisian’ny boky nomerika, izay antenaina fa ho mora vidy kokoa noho ny boky taratasy.
Landy R.