Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all 10503 articles
Browse latest View live

Kianjan’ny kanto : hisokatra ny “cabaret ô Rakoto”

$
0
0
rossy

Tsy toeram-pialamboly vaovao akory ny Kianjan’ny Kanto etsy Mahamasina. Efa mpandray hetsika ara-javakanto samihafa, ary ambohipihaonan’ny mpanakanto sy ny mpankafy hatrany izany. Hivelatra bebe kokoa kosa ny toerana, manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity. Araka ny fantatra mantsy, hisokatra anio alina ny “cabaret ô Rakoto”, ao amin’ny kianjan’ny Kanto.
Hanafana ny fiarahana voalohany ny tarika Rossy. Tsy toy ny seho mahazatra anefa, fa hiavaka kely izany amin’ny maha “cabaret” azy. “Ireo hira taloha sy slow rehetra no alahatray amin’io. Afaka mihira izay namana te hihira miaraka aminay any amin’ny farany”, hoy ny filazan’i Rossy, izay sady tompon’andraikitra voalohan’ny toerana ihany koa.
Efa nifandimby tao amin’ny sehatry ny kianja ireo mpanakanto mivondrona anatin’ny sendikan’ny mpanao mozika, nanomboka tamin’ny alahady teo. Mbola hitohy hatrany izay fanehoana fiarahana sy firaisankina izay.
Marihina fa hitohy rahampitso asabotsy ny “cabaret”. Hivadika ho adin-kiragasy goavana kosa izany ny alahady, izay hifanandrinan-dry Rasoalalao Kavia sy Razafimahandry Sahavatobe.

Zo ny Aina


Fampisehoana tokana : eto an-tanindrazana i Rolland Raëlison

$
0
0
????????????????????????????????????

« Malagasy ianao », ankoatra ny maha lohatenin-kira azy, io ihany koa no nosafidian’i Rolland Raelison ho lohatenin’ilay seho tokana hotontosainy amin’izao fandalovany eto an-tanindrazana izao. Fampisehoana tanterahina etsy amin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo Analakely,  ny alahady 20 novambra izao,  manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.

I Faniry Raëlison sy ny tarika Ny Angolan’Imerina no hikalo ireo sanganasany ka i Rolland Raëlison no hitendry ilay piano à queue ary i Roger Zafera no hanaraka amin’ny contrebasse. Marihina fa ny tarika Ny Angolan’Imerina sy i Faniry no niaka-tsehatra voalohany niaraka tamin’i Rolland Raëlison nanampy ny tarika Kintana Telo tamin’ny fahatongavan’ity mpanakanto ity voalohany teto Madagasikata ny taona 2007.

Fanamby nataon’ireto mpanakanto hiaka-tsehatra ireto ny hiezaka hamoaka ireo hira araka ny nanaovana azy tany aloha. Anisan’izany ny « Ekeko satria », « Sangisangy ve ? », « Vakana sarobidy », « Valse d’amour »., sns.

HaRy Razafindrakoto

« Soirée des artistes » : hampiaraka talenta i Tsoutsou sy Amb’Gadona

$
0
0
soiree

Ny iray manan-talenta amin’ny hairaha ara endrika aman-bika. Ny faharoa kosa, tarika andalam-pametrahana ny anarany eo amin’ny tontolon’ny mozika. Hampiaraka azy ireo, mandritra ny andiany faharoa amin’ny « soirée des artistes », izay hotontosaina ny asabotsy izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina, ao amin’ny Little Hennessy, Pack Yellow Café Ivandry ny mpikarakara.
Natao ho sehatra ho an’ny mpanakanto tanora manana talenta ho zaraina mihitsy ny hetsika, izay kasaina hatao isam-bolana ao amin’ity toerana ity. Manana ny mampiavaka azy i Tsoutsou eo amin’ny famoahana ny aingam-panahiny, amin’ny hairaha ara endrika aman-bika. Tsy voaterin’ny fenitra, fa manaraka izay mety aminy izy, raha ny nambaran’ny mpikarakara. Hampiranty ny ampahany amin’ny sanganasany amin’io fotoana io, ka hatramin’ny 30 novambra izao ity mpanakanto ity. Hiantsoroka ny fandrotsiana amin’ny karazana mozika sy gadona isan-karazany, mandalo ny soul, jazz, reggae, sns, kosa ny tarika Amb’Gadona amin’io.

Tratry ny tsy fahasalamana… : antso tolo-tanana ho an-dRandrenja

$
0
0
randrenja

Mitana anjara toerana goavana eo amin’ny fampiroboroboana ny sarimihetsika malagasy Randrenja. Ny sokajin-taona rehetra, mahafantatra azy avokoa. Mandia tsy fahasalamana izy ankehitriny. Misy ny fifanomezan-tanana sy antso ho fanampiana amin’ny fitsaboana. Afaka manao izany avokoa ny olon-drehetra amin’ny alalan’ny « Malagasy mifanome tanana ho an-dRandrenja ».

« Andrebabe », « Jiaby Jiaby », « Malok’Ila »… « Tampody », « Tsindry aloka », « Vola »… Sarimihetsika malagasy anisan’ny nampisongadina ny talentan-dRazafindrakoto Gérard na Randrenja. Mararin’ny homamiadan’ny tsinay ity andrarezin’ny sarimihetsika malagasy ity ankehitriny. Efa nisy ny fandidiana natao. Raha ny nambaran’ny mpitsabo, mbola mila fotoana maharitra ny fitsaboana.

Nanatanteraka antso sy fanentanana amin’ny fifanomezan-tanana hanampiana ny fianakaviany amin’ny saram-pitsaboana ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy sy ny mpanakanto, omaly. « Malagasy mifanome tanana ho an-dRandrenja », afaka alefa amin’ny « 034 08 000 50 » sy « 033 06 000 50 » izay foin’ny tsirairay. « Anjarantsika izao ny mamaly babena », hoy Razafimandimby Mamitiana tale jeneralin’ny Scoop Digital. Namafisiny fa ao anatin’ny telo na efatra andro, hanao ezaka manerana ny Nosy ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy hampahafantatra ny fisian’ny « Malagasy mifanome tanana ho an-dRandrenja ».

Mbola hisy ny ezaka hiaraha-mientan’ny mpanakanto rehetra (ao amin’ny tontolon’ny hira, sarimihetsika…), raha ny fanazavany. Hetsika lehibe hotanterahina etsy amin’ny Coliséum Antsonjombe ny 27 novambra izao. « Miankina indrindra amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondrana ny hanatanterahana azy amin’io daty io noho ny fisian’ny frankôfônia eto an-toerana. Marihiko anefa fa hamehana ny fanatanterahana ity hetsika ity satria resaka fahasalamana ka tsy tokony hiandrasana ela».

Anisan’ny mpanakanto efa naneho ny fahavononany handray anjara amin’io hetsika lehibe io i Jerry Marcos. Nanentana ny olon-drehetra rahateo ny amin’ny fifanomezan-tanana ho fitsaboana an-dRandrenja izy. Fantatra omaly fa nanolotra 1 tapitrisa Ar tamin’ny alalan’ny Omaci ny minisiteran’ny Kolontsaina.

HaRy Razafindrakoto

Soirée des artistes : Tsoutsou et Amb’Gadona à l’affiche

$
0
0
soireee-des-artistes

La deuxième édition de la Soirée des artistes se tiendra, samedi, à partir de 19h30 au Little Hennessy au Pack Yellow Café Ivandry. Cette fois-ci, les organisateurs ont choisi de mettre à l’affiche la plasticienne Tsoutsou  et le groupe Amb’Gadona.

Comme tous les mois, Little Hennessy offre une scène spéciale aux jeunes artistes émergents qui méritent d’être soutenus. « Nous avons choisi Tsoutsou parce qu’elle est passionnée. Elle ne fait pas de l’art traditionnel, c’est-à-dire qu’elle n’est pas liée par le carcan des normes, mais plutôt inspirée par sa passion. Il faut voir directement pour comprendre ses œuvres », a expliqué Karine Rabefaritra de Little Hennessy où l’exposition se tiendra du 19 novembre jusqu’au 30 novembre.

Tsoutsou, de son vrai nom Diana Rakotomavo ou simplement appelée Dia, est une artiste multidisciplinaire mais elle se spécialise surtout dans l’art de la poterie. Sortante de l’Emap, elle a continué à développer son talent en devenant décoratrice d’intérieur. « Ma particularité est que je mélange plusieurs matières afin d’obtenir un résultat plus abstrait et expressif », a-t-elle expliqué. Et pour la première fois donc, elle présentera au grand public ses premières toiles. Concrètement, elle exposera 7 tableaux et une vingtaine de poteries. En ce qui concerne le groupe Amb’Gadona, il animera cette soirée des artistes. Au programme, il interprétera une quinzaine de titres allant du genre soul au reggae en passant par du jazz.

Holy Danielle

Nosy-Be : la culture, un levier de développement

$
0
0
photo-1

Nosy-Be est l’une des destinations les plus prisées à Madagascar, principalement à cause de ses belles plages. Mais actuellement, l’office régional du tourisme à Nosy Be projette d’élargir ses activités en valorisant la culture de l’île.

Nosy Be, que l’on appelle aussi l’île aux Parfums, est célèbre pour ses belles plages avec le sable fin et la mer bleu turquoise, sans oublier, bien sûr, le soleil. Une destination idéale pour les touristes balnéaires ! L’année dernière, elle a enregistré plus de 78 000 visiteurs, soit environ 30% du nombre total de voyageurs à Madagascar.

Des circuits en mer pour les îles voisines

Conscients de l’apport économique que peut engendrer cette situation, les hôtels luxueux et même les simples habitants organisent diverses activités en mer. Certains proposent une excursion qui permet de visiter les autres petites îles voisines pleines de ressources naturelles. Entre autres, l’île aux lémuriens dénommée Nosy Komba avec sa forêt tropicale composée de nombreuses espèces endémiques, ou encore le Nosy Tanikely un véritable aquarium qui a été déclaré Parc national marin en 2010…

Marodoko, l’ancienne ville

A part ces diverses activités liées à la mer, l’île possède d’autres ressources qui méritent d’être appuyées, tel les sa culture et son histoire. Actuellement, les guides intègrent dans leur circuit certains sites culturels. L’association Ravinala a pour mission de promouvoir le circuit Marodoko. C’est en effet l’ancienne principale ville de Nosy Be. On y trouve par exemple les plus anciennes traces de présence humaine, l’ancien port, la maison fantôme, les cimetières des Indiens, la première mosquée installée à Madagascar… A la fin de ce circuit, les membres de l’association offrent un spectacle qui dévoile toutes les danses folkloriques de l’île ainsi que sa musique, comme le wadra ou encore la danse des crocodiles.

Les rites restent toujours importants

Nosy Be pratique encore actuellement le Tromba, une cérémonie où quelques habitants boivent, dansent et se trouvent dans un état de transe. Comme ils l’affirment, ils sont en pleine conversation avec des esprits des familles royales. Non loin de Hell-Ville se trouve aussi «l’arbre sacré» où les gens effectuent une sorte de culte des ancêtres pour quémander un vœu précis. Cette culture ancestrale reste encore importante, même dans certaines îles voisines. A part, l’existence de mangroves, un endroit où  l’accès est défendu, Nosy Sakatia ou l’île aux orchidées, renferme aussi une histoire impressionnante et où les rites et les coutumes restent encore importants. Sur cette île, prononcer le mot chien est fady, ou interdit (tabou)… Et enfin les lacs sacrés, selon la légende, des esprits royaux des Sakalava logent dans les poissons et les crocodiles et c’est pour cette raison qu’il  leur est interdit d’y pêcher ou nager. Et le circuit se termine au Mont Passot avec une vue panoramique.

Plusieurs festivals musicaux

Après Antananarivo, l’île aux Parfums est aussi la deuxième ville qui accueille le plus de festivals. A commencer par le festival Donia qui existe depuis 1993, Somarohô qui offre des spectacles exceptionnels durant plusieurs nuits, Nosy-Be Symphonie qui est le premier festival international de musique classique dans l’océan Indien et le récent Nosy-Be Jazz Festival.

Des touristes locaux intéressés

Lorsque les vacances arrivent, trois destinations sont les plus appréciées par les vacanciers nationaux, surtout les Tananariviens. Il s’agit donc de Mahajanga, Toamasina et Foulpointe. Mais actuellement, malgré la distance qui sépare la capitale de Nosy-Be (environ 900 km), cette partie nord de l’île commence petit à petit à intéresser les touristes locaux.

Depuis l’existence du vol direct Milan-Nosy Be et la croisière Costa, la plupart des touristes sont les Italiens, viennent ensuite les Français. Et le 20 mars 2016, un vol direct venant d’Afrique du Sud a également fait carton plein. Et depuis ces trois dernières années, l’île commence à être fréquentée par des vacanciers venus de la capitale. «Si auparavant, il n’existait quasiment pas de stagiaires, actuellement ils sont devenus nombreux et proviennent presque tous d’Antananarivo», a expliqué l’un des guides touristiques professionnels.

Page réalisée par Holy Danielle

 

Taolagnaro : hiverina ny « Festival Sambaraha »

$
0
0
sambaraha

Nangingina tao anatin’ny taona vitsivitsy… Hiverina indray ny « Festival Sambaraha » raha ny fanazavan’ny federasiona « Hoavinign’Anosy », mpikarakara ity hetsika ity. Andiany fahadimy tontosaina ao Taolagnaro (Fort-Dauphin) ny 17 desambra ka hatramin’ny 21 desambra izao. Lanonam-be iarahana amin’ireo mpanakanto fanta-daza toa an-dry Stéphanie, Khaleba, Mamaly2, Samonta, Beloba, Seva. Ankoatra izay, hisy koa hetsika ara-panatanjahantena toy ny beach soccer, basikety, surf ary ringa mampalaza iny faritra iny.

Anisan’ny tanjona amin’ny « Festival Sambaraha » ny hanome lanja sy hampahafantatra ny haren’ny faritr’Anosy. Hampitombo ny fifanakalozana sy ny serasera eo amin’ny samy zanaky ny faritra sy ny vahiny ary indrindra ny mpianatra. Hiavaka noho ireo andiany teo aloha rahateo ity andiany fahadimy ity, raha ny fanazavan’ny mpikarakara satria hahazo tombony kokoa ny mpianatra avy any an-toerana. Efa ahitana ny « Hoavinign’Anosy « Etudiants » », « Hoavinign’Anosy « Miatriky » » (ho an’ny tanora efa anaty asa) ary « Hoavinign’Anosy « diaspora » rahateo ny federasiona « Hoavinign’Anosy ».

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

Angano amin’ny teny malagasy sy frantsay : hamoaka boky efatra Rabenandrasana Lalao

$
0
0
rabenandrasana

Tafiditra ao anatin’ny « Herinandron’ny frankofonia », hamoaka boky efatra mirakitra angano malagasy, voasoratra amin’ny teny malagasy sy teny frantsay, Rabenandrasana Lalao François. « Zazavavy soa nanjary osy », « Nahazo vady avy any an-danitra », « Ikotofetsy sy Imahaka », ary « Ifaranomby », izay samy angano voarakitra ao anatin’ny Anganon’ny Ntaolo avokoa raha ny fanazavany. Havoaka sy hampirantiana voalohany eny Andafiavaratra ireto boky ireto ny alakamisy 24 novambra izao. Aorian’izay, havoaka manerana ny Nosy izy ireo.

Misy ny Malagasy, tsy havanana amin’ny teny malagasy kanefa liana amin’ny kolontsaina malagasy. Ao ireo vahiny, te hahalala ny kolontsaina malagasy. Tsy vitsy ny Malagasy te hanitatra ny fahalalany momba ny teny frantsay, samy hahazo tombony avokoa izy ireo. Mba hanamora ny famakiana ireo boky ireo, miloko mainty ireo angano amin’ny teny malagasy, mirafitra avy hatrany eo ambaniny ny dikany amin’ny fiteny frantsay izay miloko manga. Misy sary avokoa ny angano tsirairay.

Fantatra fa « ho avy tsy ho ela ny boky angano amin’ny fiteny telo (malagasy, frantsay ary anglisy) », hoy i Nandrasana. Marihina fa efa namoaka boky kabary am-panambadiana amin’ny dikan-teny anglisy, malagasy ary frantsay ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity.

HaRy Razafindrakoto


Randrenja : un appel à solidarité lancé jeudi dernier

$
0
0
randrenja

Le producteur, réalisateur et acteur Randrenja, de son vrai nom Gérard Razafindrakoto, est gravement malade actuellement. En plein combat contre un cancer de l’intestin, il a besoin d’aide et de soutien. Sur ce, ces proches ainsi que les artistes du 7e art lancent un appel à solidarité et organisent un évènement dénommé «Malagasy mifanome tanana».

Ce projet a officiellement été lancé, jeudi dernier, à l’espace Mon Goûter à Andrefan’Ambohijanahary. Presque tous les acteurs, réalisateurs et producteurs étaient au rendez-vous, entre autres Gégé Rasamoelina… Le ministère de la Culture, par le biais de l’Office malgache du cinéma (Omaci) a offert une somme de 1 million d’ariary. Les particuliers peuvent aussi participer à cette solidarité en envoyant leur don au 033 06 000 50 ou 034 08 000 50.

En outre, les artistes amis de Randrenja songent également organiser prochainement un grand concert qui aura lieu au Coliseum d’Antsonjombe. Selon un des organisateurs de ce projet, «normalement, le concert devrait se dérouler le 27 novembre, mais jusqu’à ce jour, nous n’avons pas encore reçu l’accord des autorités. Peut-être, est-ce à cause de la clôture de la Francophonie ?» Par ailleurs, Jerry Marcos a déjà annoncé qu’il participera volontiers à ce spectacle.

Producteur chez Horizon production, Randrenja est au fait célèbre après sa participation en tant qu’acteur dans divers films malgaches tels que «Andrebabe», «Jiaby Jiaby» ou encore la saga «Malok’ila». «Il a tant donné pour le cinéma malgache qu’il est peut-être temps de lui faire un petit geste de redevabilité», a annoncé le directeur d’Horizon Production.

Holy Danielle

 

Exposition : Mat Li donne ses « Visions »

$
0
0
exposition

Une grande première pour Mat Li ! Ce photographe professionnel a toujours su donner son point de vue, sa vision à travers ses clichés. Décidé de les présenter au grand public, il effectuera une exposition en solo intitulée «Visions» à l’Is’art galerie à Ampasinimalo et dont le vernissage s’est tenu, jeudi dernier.

«Il y a des choses que l’on ressent sans forcément les voir», explique le photographe. Les non-dits, l’inconscience, l’imaginaire… toutes ces choses abstraites sont retranscrites, à sa manière, dans ses œuvres. Rassemblés, ils décrivent sa personnalité, une personne solitaire et pleine de mystères. Ils reflètent ainsi toutes ses «visions dans ce monde réel». L’exposition se tient actuellement à l’Is’art galerie et continuera jusqu’au 1er décembre.

Holy Danielle

 

Tv5 Monde – Sommet de la francophonie : une programmation éclectique

$
0
0
sommet-de-la-francophonie

La Grande île vibrera aux couleurs du XVIe Sommet de la Francophonie, du 22 au 27 novembre. Pour l’occasion, la chaîne francophone mondiale, TV5 Monde, se mobilise en déployant un dispositif exceptionnel à travers une programmation spéciale et des émissions dédiées.

La chaîne TV5 Monde célèbre Madagascar en proposant une programmation spéciale du 23 novembre au 2 décembre.  Sobrement intitulé «Sur la piste des senteurs», le documentaire réalisé conjointement par Daniel Serre et Antoine Rivière  sera diffusé le 24 novembre à 18h30, heure de Madagascar. Ce documentaire nous emmène à la découverte de la flore malgache qui compte environ 12 000 espèces, dont 110 sont aromatiques. S’ensuivra «Mada Underground», le 25 novembre à 21h05. Réalisé cette année par Denis Sneguirev et Philippe Chevallier, ce long- métrage met à l’honneur l’artiste plasticien Temandrota, le rappeur Nathy Kaly, la slameuse Caylah ainsi que les skateurs Toté, Enderika et Tolotra qui compensent le manque de moyens par leur créativité.

La programmation fera aussi la part belle aux productions malgaches. «Rendala, le Mikea», d’Alain Rakotoarisoa sera sur le petit écran le 26 novembre à 21h05. Il s’agit d’un film d’immersion qui fait un tableau accablant des effets de la mondialisation tout en s’inspirant du peuple Mikea qui vit dans le Sud-ouest de Madagascar, depuis des siècles, de chasse et de cueillette. Le 27 novembre à 23h50, TV5 Monde propose «Malagasy mankany (Légendes de Madagascar)», de Ratovoarivony Haminiaina en 2012. C’est une comédie dramatique d’aventure sur le thème de la jeunesse malgache.

L’émission musicale «Acoustic» recevra le quatuor malgache, The Dizzy Brains qui a entamé depuis peu une tournée européenne. Ce sera le 29 novembre à 23h00.  «Échappées Belles», le magazine de découverte hebdomadaire consacre sa prochaine émission à Madagascar le 30 novembre à 16h30. Il en est de même pour «Iles …était une fois», diffusée le 23 novembre à 21h55.

TV5 Monde aux premières loges du Sommet de la Francophonie

Un grand show pour un grand événement. TV5 Monde se met à l’heure du Sommet de la Francophonie et propose une programmation spéciale à cet événement d’envergure. Elle délocalise dans la capitale ses principaux journaux et magazines d’information. On notera tout particulièrement «Le Journal Afrique», «L’invité», «Et si vous me disiez toute la vérité», «Africanités», «Afrique presse» et «Internationales». Notons au passage que la plateforme en ligne «tv5monde. com/sommet» et les réseaux sociaux seront actifs pour faire vivre les moments forts du Sommet.

Joachin Michaël

Faran’ny herinandro an-tsary

$
0
0
????????????????????????????????????

: Feno 20 taona ny nijoroan’ny tarika Laurent Rakotomamonjy, tsy zovina intsony eo amin’ny tontolon’ny fitoriana an-kira ny Filazantsara. Somary nangingina ny fampisehoana nenti-nanamarika izany, omaly tao amin’ny CC Esca.

Nanjaka ny fahaiza-mampiasa voambolana teny frantsay, nandritra ny « Les 3 minutes franco’folles », natao teto amin’ny IFM ny asabotsy tolakandro teo. Tafiditra ao anatin’ny fandraisantsika ny fihaonamben’ny frankofonia ity hetsika ity.

Notontosain’i Landy R., Fano, Tiana.

Packyellow Café Ivandry : « Ndao hilalao », fotoana mamy nifampizarana

$
0
0
kilalao21

Anisan’ny mahaliana ny olona, any ivelany any, ary azo lazaina ho lamaody mihitsy ny mamerina indray ny taloha. Amin’ny lafiny maro io, toy ny fiakanjo, ny hira henoina, sns. Iray amin’ireny ny teny amin’ny Packyellow Café eny Ivandry, omaly. Tontolo andro tena niavaka !

« Ndao hilalao ». Io no lohahevitry ny hetsika nokarakarain’ny Packyellow Café etsy Ivandry, omaly. Hetsika tsy fahita firy, hany ka nahavariana sy nahaliana tokoa. Namerina niaina ny lasa ny ray aman-dreny ary nizara io fotoana mamy io tamin’ny zanany. Tsy inona no tian-kambara fa ireo kilalao « fahiny » na tamin’ny fahazazana, kilalao efa vitsy mpanao ary tsy fantatry ny ankamaroan’ny ankizy ankehitriny.

Ho an’ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavy, nalalaka ny tokontany nanaovana sabaka sy vitsily ary tsobato. Nifandimby nifanosika kalesa kosa ny ray sy ny boaikely. Ankoatra izany, nisy ny filalaovana zoera na baolina kitra lalaovina amin’ny vakina « carreaux » na taila sy kanetikely.

Amin’ny ankapobeny, tsy mbola very ao an-tsaina tanteraka ireo kilalao ireo, saingy tsy niampita tamin’ny ankizy taty aoriana ny filalaovana azy, any am-pianarana sy rehefa fotoam-pialan-tsasatra. Fotoana iray nampianarana ny ankizy ireny kilalao ireny sy itehirizana azy ho lovain-jafy ny omaly. Nanatevina ny fifalian’ireo ankizy sy ny fahafinaretan’ny lehibe ny fifampizarana vatomamy « gasy » sy tsakitsaky fividy tany an-tsekoly.

Tsy nahamonamonaina velively ny lalao, satria raha te hiato kely, nalalaka ny famakiam-boky tantara an-tsary na « BD » nalaza taloha. Teo koa ny fifaninanana beloty, « rami », « jeu de dames », sns. Tsiahivina fa miezaka mitady zava-baovao hatrany ny Packyellow Café etsy Ivandry ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra.

Landy R.

Fifaninanan-kira frantsay : hihazo an’i Frantsa i Fatoma Renée Doudoune

$
0
0
????????????????????????????????????

Nibata ny fandresena tamin’ny fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, andiany fahadimy i Fatoma Renée Doudoune, avy any Antsiranana. Ny hiran’i Celine Dion, S’il suffisait d’aimer no nohirainy. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny AFT Andavamamba, ny dingan’ny famaranana tamin’ity lalao ity. Anisan’ny loka goavana miandry an’i Doudoune ny fivahiniana mandritra ny herinandro any Paris.

Mihamaro hatrany ireo mpandray anjara amin’ny fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, karakarain’ny Alliance française. Ho an’ny teto Antananarivo, ohatra, nahatratra 50 mahery ireo niatrika ny dingan’ny manasa-dalana ary 26 kosa ireo nisedra ny famaranana isam-paritra, izany hoe, ho an’ny teto Analamanga.

Raha tsiahivina, nisokatra ny 1 jolay teo ary tsy nifarana raha tsy ny 12 aogositra ny fisoratana anarana tamin’ity fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, andiany fahadimy ity. Nanerana an’i Madagasikara ny fifaninanana ka tany amin’ireo Alliances françaises miisa 29 manerana ny Nosy no nandray ny fisoratana sy nanatanterahana ny fifanintsanana. Taorian’izany, nisy ny dingan’ny famaranana isam-paritra.

Landy R.

Pack Yellow Café : « Ndao hilalao » et des souvenirs

$
0
0
pack-yellow

C’est dans une ambiance de partage et de joie que s’est tenu l’événement «Ndao hilalao», hier dimanche, au Pack Yellow Café.

Avec l’affluence des jeux vidéo et d’autres divertissements sur la toile, les loisirs d’antan sont oubliés, voire ignorés par une majorité de jeunes d’aujourd’hui. L’objectif de «‘Ndao hilalao» est justement de raviver des souvenirs d’enfance pour les  parents et remettre ces jeux traditionnels à goût du jour pour les jeunes.

Avec une programmation ludique et innovante, «Ndao hilalao» a proposé tout au long de la journée des jeux traditionnels malgaches comme le Sabàka, Vitsily, Zoéra, Tso-bato, course Kalesa et divers jeux cérébraux.

Pour les bédéphiles, Pack Yellow Café dispose d’une bibliothèque garnie de BD anciennes telles que «Akim», «Pif» et notamment «Benandro», qui fera d’ailleurs l’objet d’une réédition sous peu. Un kiosque à «bonbons gasy» a également fait le bonheur des petits et des grands.

Joachin Michaël


Little Hennessy : une sublime « Soirée des artistes »

$
0
0
little-hennessy

Fort du succès de la 1ère édition au mois d’octobre dernier, Little Hennessy Ivandry a réitéré la «Soirée des artistes», samedi dernier, en rassemblant sur un même plateau Tsoutsou et Amb’gadona.

Même concept, même endroit, Little Hennesy reste fidèle à son principe. Samedi dernier, la Soirée des artistes a entamé sa deuxième édition en proposant des moments de découverte et de partage. A titre de rappel, il s’agit d’une plateforme pour la promotion des artistes émergents qui méritent d’être connus et reconnus.  Après l’excellente prestation de Sandrine Rajaofetra et d’Arian, le 15 octobre dernier, la soirée mettant en vedette Tsoutsou et Amb’gadona qui a également apporté son lot de surprises.

Ces deux artistes évoluent dans différentes disciplines. Tsoutsou est une jeune artiste plasticienne tandis que Amb’Gadona est un groupe de chanteurs en quête de reconnaissance. Mais le temps d’une «Soirée des artistes», les deux ont fait la paire car cette passion pour l’art en général les ont réunis dans la diversité. Un cocktail artistique qui sort de l’ordinaire mais c’est tout aussi intriguant d’apprécier  le résultat sur scène.

Diana Rakotomavo alias Tsoutsou, mêle avec brio sa passion pour la poterie, la peinture et tout ce qui touche l’art de la décoration.  Pour aficionados, l’exposition s’installera au Little Hennessy  jusqu’au 30 novembre. Quant au Amb’Gadona, il a proposé une bonne dizaine de morceaux en perfectionnant son style à travers des genres musicaux aussi variés que  le reggae, le jazz ou encore le soul. On notera tout particulièrement les œuvres de Bob Marley et de Stevie Wonder.

Joachin Michaël

Festival culturel : Sambaraha fait son « come-back »

$
0
0
festival-culturel

Après quelques années de silence, le festival Sambaraha de Taolagnaro est de retour sous la férule de la fédération « Hoavinign’ Anosy ».

Du 17 au 23 décembre, la 5e édition du festival Sambaraha, regroupant les manifestations culturelles et sportives, sera sous le feu des projecteurs à Taolagnaro. Basket-ball, beach soccer, surf et ringa seront alors au rendez-vous pour les férus du sport. Mais, ce programme sera également assaisonné de rendez-vous culturels avec des artistes de renom comme Stéphanie, Khaleba, Mamaly2, Samonta, Beloba, Seva. L’objectif est de valoriser les richesses de cette région à forte potentialité et d’offrir un plateau d’échanges entre les visiteurs et les natifs de la région composés surtout par des étudiants.

Selon les organisateurs, Sambaraha V sera différente des éditions précédentes. Un Salon des étudiants sera au programme et servira à inciter et à sensibiliser les jeunes de cette région à aller de l’avant dans leur carrière professionnelle et à poursuivre les études supérieures dans la capitale, notamment à l’Université d’Antananarivo. D’ailleurs, un comité d’accueil des natifs d’Anosy a été mis en place à Antananarivo en vue de les recevoir.

Nadia

 

CNCF : Fatoma Renée au firmament

$
0
0
????????????????????????????????????

La finale du Concours national de la chanson en français (CNCF) s’est tenue, hier, à l’AFT Andavamamba. Après le sacre de Davis Adrien Indy en 2015, la victoire revient cette année à Fatoma Renée Doudoune, originaire de Diego Suarez.

Un tremplin musical entièrement dédié à la promotion de la créativité et du talent, la 5e édition du Concours national de la chanson française a rameuté les inconditionnels. Ils étaient plus d’une centaine de compétiteurs derrière le micro pour rafler le titre de finaliste. Après la phase des  éliminations à travers les réseaux des alliances françaises de Madagascar, 23 candidats ont été admis en finale.

Faisant preuve de créativité, Fatoma Renée Doudoune s’est démarquée grâce à son excellente interprétation de «S’il suffisait d’aimer» de Céline Dion.  Les membres du jury ont unanimement apprécié sa créativité, sa présence scénique sans pareille et sa  performance passionnante.  Au bout de ses surprises, elle s’est vu remettre le premier prix avec notamment un  billet d’avion pour un séjour d’une semaine en France.

Joachin Michaël

1ere : Fatoma Renée Doudoune (Antsiranana). 2e : Pamaky Nancy Vagnotsara ( Farafangana). 3e : Raoelison Andriamasy Aina Tiavina (Ambatondrazaka) 4e : Ramakasoanirina Vonintsoanandraina (Toliara) 5e : Razafindrabary Fiankinantsoa Telinjanahary (Antsirabe)

Na eo aza ny fivoarana … : ilaina ny kolontsaina filozofy

$
0
0
filozofia22nov

Nisoko mangina, saingy nanan-danja ny andron’ny alakamisy lasa teo ho an’ny sampana filozofia, eny amin’ny fakiolten’ny zavakanto, ny soratra ary ny siansa maha olona, eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Toy ny isan-taona, nanomboka ny 2005, nomarihina tamin’io fotoana io ny Andro eran-tany ho an’ny filozofia. Nanohana ity fanamarihana ity ny vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco.

Nampahatsiahivina, nandritra ny hetsika natao teny Ankatso, ny hoe manana ny toerany sy ny lanjany amin’izao tontolo maoderina sy mivoatra haingana izao ny filozofia. Kolontsaina filozofy, izay manamafy ny fanajana eo amin’ny samy olombelona, ny fandalàna ny fitoniana ary ny firaisankina.

Nanamafy io fomba fijery io ny tale jeneralin’ny Unesco, Irina Bokova, izay nilaza fa ny fahaiza-mandalina toy ny filozofy no ahafaha-mifampidinika am-pitoniana ka hananganana fanamby, hanatsarana hatrany ny ho avy. « Vao mainka ilaina ny filozofia, arakaraka ny maha lehibe ny olana vahana, indrindra, hametrahana fitoniana sy fampandrosoana maharitra », hoy izy.

Ny ampitson’ny Andro eran-tany ho an’ny fandeferana no nanamarihana ny Andro ho an’ny filozofia. Noho izany, nifamatotra ny lohahevitr’ireo andro manokana roa ireo, ny hoe « Hiara-hanambara mafy ho an’ny fandeferana ». Niompana tamin’ny zavatra iainana andavanandro eto amintsika mahakasika ny hoe fandeferana sy ny fitoniana maharitra ny adihevitra, teny Ankatso. Narahina fandefasana horonantsary fanadihadiana izany.

Landy R.

Village de la francophonie : misy lohahevitra ny hetsika kolontsaina

$
0
0
frankofonia

Hisokatra ho an’ny daholobe, manomboka anio, ny Village de la francophonie etsy Andohatapenaka. Tanterahina ao amin’ity toerana ity moa ireo hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto samihafa, tafiditra ao anatin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonambe faha-16 an’ny frankofonia.

Fantaro àry fa misy lohahevitra ireo hetsika tontosaina isan’andro ao. Ho an’ny androany, ohatra, hibahan-toerana ny fampahafantarana ny atao hoe frankofonia sy ny fanehoana ny maha zava-dehibe izany amin’ny alalan’ny zavakanto : dihy, mozika, tononkalo, sns…

Hanokafana ny fotoana, amin’ny mitataovovonana, ny fandefasana horonantsary fanadihadiana, mikasika ny frankofonia, ny fikambanana iraisam-pirenena momba izany (OIF) ary ny andraikiny. Handimby izany ireo mpiangaly « slam », haneho ny fahaiza-milalao teny frantsay.

Eo amin’ny tontolon’ny mozika sy dihy, ho hita eny ry Dih’Vin, Jean Emilien, ny Bloco Malagasy ary ry Kala Vazo, izay hanakatona ny fotoana amin’ity anio ity. Hampiavaka ny hetsika ara-javakanto, eny amin’ny Village de la francophonie, amin’ity anio ity, ny fanomezan-danja ireo asa soratra amin’ny teny frantsay nataon’ny andrarezin’ny literatiora malagasy. Iarahana amin-dry zareo ao amin’ny Faribolana Sandratra izany. Ho an’ny rahampitso, hanome sehatra manokana ny ankizy sy ny kilonga ny frankofonia.

Landy R.

Viewing all 10503 articles
Browse latest View live