Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all 10503 articles
Browse latest View live

Seho sy hetsika ho an’ny maha olona : hifanotrona amin’ireo mpanakanto vahiny i Avotra Lemada

$
0
0
avotra

Tsy heno firy eto an-toerana saingy efa miakatra amin’ny sehatra avo aty amin’ny ranomasimbe Indianina i Avotra Lemada. Anisan’ny mampiavaka azy ny fampivadiana ireo zava-maneno nentin-drazana amin’ny any vahiny. Manomana hetsika maromaro ity mpanakanto ity amin’izao fotoana izao ka anisan’izany ny hiakarany an-tsehatra iarahana amin’ireo mpanakanto vahiny.

 

« Anisan’ireo hiaka-tsehatra sy hanome tanana ho fiahiana ny maha olona iarahana amin’ny  Association Clef La Réunion, ho avy eto amin’ny 5 desambra izao izahay », hoy i Avotra Lemada. Nambarany fa hisongadina amin’izany ny fifanakalozana ara-javakanto amin’ireo mpanakanto vahiny maro, mpikambana ao anatin’io fikambanana io. Eo koa ny fizarana sy fanomezana ho an’ny ankizy sahirana any amin’ny faritra atsimo sy Atsimo Atsinanana. Efa nantsidiny sahady koa anefa ny amin’ny taona ho avy ka anisan’izany ny fikarakarana hetsika indroa miantoana : « Dona Kely » amin’ny endriny « acoustique » iarahany amin’i Belahy. Manampy izany ny hetsika lehibe, « Festival music de l’océan Indien ». Hisehoan’ny  fifanakalozana ara-mozika handraisan’ireo mpanakanto avy aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy ny avy eto an-toerana  anjara. Iarahana amin’ny trano mpamokatra DLS Pord La Réunion. « Mbola hotapahina mandritra ny fiarahana amin’ny volana desambra izao ny fotoana sy ny toerana hanatontosana izany. Mbola ho fantatra eo koa ny fotoana hanaovana ny Festival any amin’ireo nosy manodidina. Ezahina hatao isan-taona ity hetsika ity », hoy i Avotra Lemada.

Fampiaraham-peo amin’i Vanintsoa

Tsiahivina fa vao avy niara-nanatontosa hetsika niarahana tamin’ireo poeta ity mpanakanto ity. Anisan’izany ny famoahana bokin’i Mialy Andrianina teny Tsiadana ary niarahany nanao fampisehoana amin-dry Bekoto, Kelly Rajerison… Teo koa ny tetsy amin’ny  Cemdelac Analakely niarahana tamin’i Mikanto sy i Aina Nirina

Hivoaka tsy ho ela koa ireo hira vaovao ahitana ny fampiaraham-peo amin’i Vanintsoa (mpitendry valiha sady mpihira ao amin’ny Ry Kala Vazo ). « Iarahana mandrindra amin’i Ra-Teksa, mpitendry gitara amin’ny fitendry nentim-paharazana, izany. Efa eo am-pamaranana ny hamoahana izany izahay izao », hoy izy.

Synèse R.


Boky malagasy : zarazaraina hanify

$
0
0
????????????????????????????????????

Na misy araka ny nambaran’i Ranöe aza ny mpanoratra, mbola olana eo amin’ny tontolon’ny boky eto Madagasikara ny kalitao. Raha mba te hamoaka boky mafy hoditra sy taratasy fotsy mazava aza ny mpanoratra, kivy ety am-piandohana ihany satria ho zary haingo handravaka ny trano fivarotam-boky fotsiny izy ireny noho ny vidiny tafakatra ambony. Vokatr’izay, tsy afa-milahatra amin’ny boky avy any ivelany ny boky malagasy raha eo amin’ny kalitao. Ny an-dry zareo rahateo misy ny « omena maimaimpoana »…

Sahirana manoloana ny tranga tahaka izany ny tontolon’ny rohim-boky malagasy. Miainga hatrany amin’ny mpanoratra, mipaka hatrany amin’ny mpamaky. Vahaolana ampiasain’ny mpanoratra hatreto ny fizarazarana ny boky matevina iray ho tonga boky manifinify maromaro. Takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy izy amin’izay. Raha boky tokony atonta indray mandeha, zary atonta intelo na inefatra.

HaRy Razafindrakoto

Frankofonia an-tsary

$
0
0
????????????????????????????????????

Nahavariana ny olona ny nahita ity liona be ity teny amin’ny « Tanànan’ny frankofonia » Andohatapenaka.

« Villes africaines » : mahantra saingy « miaina » i Afrika

$
0
0
????????????????????????????????????

« Villes africaines » na ireo tanàn-dehibe aty Afrika no asehon’i Pascal Maitre ao anatin’ireo sary nalaina tany Kinshasa, Lagos, Kano, Mogadiscio ary teto Antananarivo. Tsy vitsy ny efa nitsidika ka mahafantatra ireo toerana ireo, saingy miavaka ny fomba fahitan’ity mpakasary matihanina ity izany.

Aranty etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely, nanomboka ny talata teo, ny « Villes africaines ». Tsy sary fampahafantarana ny zava-misy fotsiny ity entin’i Pascal Maitre ity, fa sary kanto sady mifono hevi-dalina mikasika ireo tanàn-dehibe dimy aty Afrika ireo.

Raha fintinina, hita taratra ny fahantran’ity kaontinanta ity, saingy misongadina ihany koa ny fahavitrihany hiatrika ny andavanandro. Miaina i Afrika. Saika ahitana fifangaroan-doko marevaka, maneho fifaliana ny ankamaroan’ireo tanàna notsidihin’ity mpakasary ity. Tsy lavitra fa mitampify ao anatin’izany anefa ny fahasahiranana.

Tsy vitsy ny tanàn-dehibe afrikanina rotiky ny ady, toa an’i Mogadiscio (Somalia). Na izany aza, maresaka hatrany izy ireny. Manampy izany ny fahavitrihan’ny mponina ao aminy hiatrika ny hoaviny : matsilo saina sy mahay mamorona, indrindra amin’ny fitadiavam-bola. Miharihary izany eto amintsika.

Fa ankoatra ireo, mandala ny kolontsaina sy ny zavakanto ihany koa ny mponina an-tanàn-dehibe aty Afrika. Tsy vitsy ny manan-talenta, izay matetika, enti-mitady vola hivelomana. Mahay miara-mifaly koa izy. Manampy ireo, na aiza na aiza misy ny afrikanina, toy ireo avy amin’ny foko « yaka » (Repoblika demokratikan’i Kongo), manaja ny fombany hatrany izy, araka ny asehon’i Pascal Maitre. Mahaliana tokoa ity fampirantiana ity.

Landy R.

Seho farany : hanakatona ny taona 2016 ny Sehatra BaGasy

$
0
0
sehatra

Hiavaka tanteraka ny « Bagasy an-tsehatra famaranana ny taona 2016 » karakarain’ny Sehatra BaGasy, etsy amin’ny IKM Antsahavola ny alahady 27 novambra izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ireo tarika mpikambana ao amin’ny Sehatra BaGasy no hanatanteraka ny fampisehoana. Ahitana an’i Miangaly Lokanga, Rapasy flûte sy Bruno Fanamperana, Lizah Raseta, Judh Gasy, Tsi-Ahy, Aro Kanton’ny Fahiny, Karoka Dinarson ary ny Ny Any Aminay.

Ba gasy ?

 Ny ba gasy : « fomba na teknika fandrefesana ny paika (temps) sy ngadona (rythme) ny mozika izay an’ny Malagasy manokana ». Noho izany, « aza afangaro ny tendry gasy sy ny ba gasy », hoy Ramaromiantso Tantely, anisan’ny ao amin’ny Sehatra BaGasy.

Tsiahivina fa 5 taona tamin’ity taona ity ny nanatanterahan’ny Sehatra BaGasy hetsika mitohy mampiaina sy mampitempo ny ba gasy ao am-pon’ny Malagasy. Nisy tsy niato ny atrikasa, zara sehatra (manana endrika fifanakalozana eny an-tsehatra) ary ny BaGasy an-tsehatra (fampisehoana).

HaRy Razafindrakoto

7e art : l’OIF soutient les jeunes cinéastes en devenir

$
0
0
raconte-moi-ta-francophonie

Soucieuse d’assurer la promotion du 7e art malgache dans son essence, l’Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) programme cette semaine un atelier en cinéma et documentaire. Dans ce dessein, 21 jeunes inscrits, venant de différentes régions de Madagascar bénéficient d’une formation, assurée par l’Office national du film (ONF) du Canada et l’Office malgache du cinéma (Omaci). Leurs créations, regroupées autour du thème «Raconte-moi ta francophonie», seront présentées au village de la Francophonie ce week-end.

« Raconte-moi ta francophonie » comme fil conducteur

Le 7e art malgache retrouve un second souffle. Déjà active à Madagascar dans plusieurs domaines, l’Organisation internationale de la Francophonie accompagne, entre autres, le pays par le biais d’un plan d’action intégré, visant à appuyer la diversité et le développement culturel, grâce à un programme d’insertion des jeunes, de formation professionnelle et technique.

Dans ce contexte, un atelier sur le film documentaire portant sur le thème «Raconte-moi ta francophonie» est prodigué tout au long de cette semaine par l’ONF, dans les locaux de l’OIF à Antaninarenina. Cet évènement se veut être un «facteur de renaissance de la cinématographie à Madagascar», a martelé Malik Sarr, directeur du bureau régional de l’océan Indien pour l’OIF, lors de son allocution d’ouverture lundi dernier. Il a également souligné «toute l’attention particulière» accordée par Michaëlle Jean, la secrétaire générale de la Francophonie, à cet atelier.

Le principe des référents culturels

«A l ‘occasion du XVIe  sommet de la Francophonie,  l’ONF a dépêché deux cinéastes formatrices  dans la capitale de Madagascar. Tout au long de la semaine, Karen Vanderborght et Yanie Dupont-Hébert donneront des ateliers documentaires à de jeunes Malgaches», rapporte un communiqué. Les jeunes inscrits ont pu assimiler des notions  aussi variées que le dossier de pré-production, la scénarisation,  les bases techniques pour la prise de vue, de son et le montage. L’objectif étant d’apprendre à travailler en équipe, déléguer et unir ses compétences.

Formés de 4 groupes, ils ont été amenés à produire eux-mêmes un film sur la thématique «Raconte-moi ta francophonie». Ce court- métrage d’une durée de 5 à 7 minutes est basé sur l’expérience qu’ils ont vécue ces derniers jours tout en appliquant le principe des référents culturels. Leurs créations seront présentées au village de la Francophonie Andohatapenaka, ce week-end.

OMACI  Structurer et professionnaliser le 7e art malgache

Cet atelier a été facilité par l’Office malgache du Cinéma (Omaci), en tant que médiateur. «Notre objectif est de superviser le bon fonctionnement de cet atelier. Par ailleurs, nous nous sommes impliqués à ce que les participants soient représentatifs  des principales villes de Madagascar», a fait savoir Jean-Noël Rakotoarisoa, représentant de l’Omaci.

Récemment, l’Office malgache du cinéma a organisé une réunion d’échanges avec les professionnels du secteur et toutes les entités concernées. Le but étant de structurer et professionnaliser le 7e art malgache par la mise en place d’un registre de délivrance et de suivi des cartes professionnelles.

«Cette formation arrive à point nommé dans un contexte où la relance du 7e art malgache se trouve au cœur des préoccupations des acteurs de la chaîne»,  a-t-il avancé avant de poursuivre «durant cette formation, nous avons entretenu une relation de collaboration fructueuse avec l’ONF. Aussi, nous souhaitons vivement poursuivre notre collaboration au-delà du Sommet de la Francophonie».

L’OIF dispose de fonds permettant d’accompagner les professionnels du cinéma et de l’audiovisuel des pays francophones du Sud. Dans cette optique, les œuvres retenues à l’issue de cet atelier se verront promues aux quatre coins du monde francophone.

Un laboratoire pour la promotion

Une véritable référence au niveau international, l’Office national du film du Canada qui est un producteur et distributeur public canadien, produit annuellement plus d’une soixantaine d’œuvres originales et marquantes, dans les deux langues officielles de ce pays (français et anglais), de même que dans certaines langues autochtones.

«Nous sommes convaincus que nous avons la responsabilité, à titre de producteur et distributeur public canadien d’œuvres audiovisuelles, de découvrir de nouveaux cinéastes dans toutes les régions du pays et de favoriser leur épanouissement», confie un responsable.

Deux jeunes réalisatrices à la longue et brillante carrière,  Karen Vanderbroght et Yanie Dupont-Hébert ont fait étalage de leur savoir-faire en la matière tout au long de cette formation.

Karen Vanderbroght voue une passion immuable pour la vidéo et tout ce qui touche les nouvelles technologies depuis dix ans maintenant. Elle travaille au Canada en tant que réalisatrice, directrice de la photographie et monteuse vidéo sur plus de 15 séries télévisées et documentaires, et a organisé régulièrement des expositions d’arts médiatiques en Europe.

Yanie Dupont-Hébert, quant à elle, est une scénariste et réalisatrice, passionnée de fiction.  Elle a réalisé de nombreux courts- métrages qui se sont illustrés à l’international. En ce moment, elle prépare son premier long- métrage fiction. A ses heures perdues, Yanie dirige des ateliers de cinéma d’animation, de fiction et de documentaire à des apprentis cinéastes de tout âge.

Page réalisée par Joachin Michaël /

Photos fournies par Francophonie Broi, Yanie Dh.

Feuilleton radiophonique : « Le Talisman brisé » sur Alliance 92 en décembre

$
0
0
????????????????????????????????????

Produit par le Service de la langue française de Radio France internationale (RFI), le feuilleton radiophonique, « LeTalisman brisé » qui propose aux débutants, jeunes et adultes, de découvrir le fonctionnement du français à partir de la communication a été traduit en malgache. Et il sera diffusé sur les ondes, Alliance 92 et RNM à partir de 3 décembre.

En collaboration avec l’Organisation internationale de la Francophonie (OIF) et l’Alliance française de Madagascar, «Le Talisman brisé» a été traduit en version français/ malgache par Ando Rakotovoahangy, le lauréat de la bourse RFI Ghislaine Dupont/Claude Verlon 2015. «Mélanger les deux langues, française et malgache, fait partie de notre quotidien», a-t-il annoncé. De ce fait, la traduction a été réalisée minutieusement pour que le grand public, surtout ceux qui viennent de la zone rurale, comprenne l’histoire.

Sur les ondes

Composé de 25 épisodes d’une durée de sept minutes environ chacun, il sera diffusé tous les samedis, à 20 heures, sur la RNM et à 20h30 sur les ondes de l’Alliance 92, du 3 décembre jusqu’à la fin du mois de mai. La rediffusion se fera  tous les dimanches, à 15h30 sur la RNM et à 17h30 sur l’Alliance 92. Dans la foulée, une émission spéciale intitulée «Autour du talisman brisé Madagascar» sera diffusée mensuellement et  animée par des hommes de lettres, entre autres des écrivains, des professeurs de français…

Accompagné d’un livret/CD

Par ailleurs, pour sensibiliser davantage le public, l’Alliance française de Madagascar, qui est présente dans 29 villes au pays, exploitera aussi le feuilleton qui sera cette fois-ci accompagné d’un livret/CD coédité par RFI et Hachette Livre Internationale. «Ce livret sera aussi disponible dans les 22 centres de culture et d’animation (Clac) répartis dans  la Grande île», a expliqué Lidwien Van Dixhoorn, chef du service langue française RFI.

L’histoire de Kwamé

«Le Talisman brisé» parle de l’histoire d’un jardinier dénommé Kwamé qui ne sait pas parler le français. Son employeur, le professeur Omar, a été enlevé sous ses yeux et durant la bagarre, le précieux talisman s’est brisé. C’est ainsi que commencent les mésaventures de Kwamé qui est obligé d’apprendre et de comprendre la langue française. Soupçonné par la Police, menacé par les étrangers, il décide d’enquêter seul sur l’enlèvement de son patron pour s’en sortir.

Notons que ce feuilleton possède actuellement dix versions et cette version français/ malgache est la cinquième déclinaison dans la région Afrique et océan Indien. «Cependant, j’espère qu’il sera aussi traduit en français/vietnamien et français/arabe», a conclu Lidwien Van Dixhoorn.

Holy Danielle

 

Village de la francophonie : nomen-danja ny hoe « Miaraka-malalaka »

$
0
0
????????????????????????????????????

Niompana tamin’ny lohahevitra hoe « Miaraka-malalaka » ireo hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto samihafa, notanterahina tetsy amin’ny Village de la francophonie, omaly tontolo andro. « Miaraka-malalaka », tetika na hetsika lehibe iray an’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny frankofonia (OIF).

Miandany sy miady ho an’ny fitoniana, fahasamihafana, fahafahana ary firaisankina ny OIF. Anisan’ny paikady enti-manatratra izany ny hetsika « Libres-ensemble » na « Miaraka-malalaka ». Nanomboka ny 10 marsa teo, tanora avy amin’ny firenena frankofona maro no efa nanentana, tao amin’ny tranonkala, ho fanandratana sy fanajana ireo hevi-dehibe ireo. Tamin’ny alalan’ny hafatra nalefa « vidéo » na fampahafantarana tetikasa ho fampiharana ireo hevi-dehibe ireo izany.

Nalefa tetsy amin’ny Village de la francophonie àry ny ampahany amin’ireo hafatra sy tetikasa samihafa avy amin’ny tanora frankofona. Tetsy ankilan’izay, samy nanambara ny hasarobidin’ny fahafahana sy ny fitoniana ireo mpanakanto nifandimby nanafana ny tolakandro, toy ireo mpanao « slam ». Tamin’ny alalan’ny tantara an-tsary (BD) kosa no nanehoan’ny fikambanana Tantsary ny lohahevitra.

Marihina fa ho fetibe ny eny amin’ny Village de la francophonie, anio ka miantso hoe « ‘Ndao hifety isika jiaby » ny mpikarakara.

Landy R.


Antsirabe : nohavaozina ny Alliance Française

$
0
0
bira

Anisan’ireo Alliance Française manana ny lazany sy ny tanjany eto Madagasikara ny any Antsirabe. 50 taona aty aorian’ny nananganana azy, nasiam-panavaozana izany. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Star, nohavaozina ny « médiathèque », ny efitrano fanaovana fanatanjahantena ary efitrano fianarana telo. Tafiditra anatin’ny fanohanana ny sehatry ny fanabeazana hataon’ny orinasa izany. Antsirabe rahateo no misy ny ozinina lehibe an’ny Star.
Tohin’ny fanampiana ny Alliance Française, toy ny natao tany Ambovombe izany.

Zo ny Aina

Fifanomezan-tanana ho an-dRandrenja : mpanakanto maro hanafana ny Coliseum

$
0
0
????????????????????????????????????

Raikitra fa hotontosaina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe Analamahitsy ilay fampisehoana an-tsehatra goavana hoenti-manampy amin’ny fitsaboana an-dRandrenja. Ny alahady 4 desambra izao manomboka amin’ny 10 ora maraina, hifandimby hiaka-tsehatra ireo mpanakanto sy tarika maro namaly ny antso. Anisan’ireny ny tarika Rebika, Hasina,          Dah-Mama, Jerry Marcoss, Team Safelika, sns. Hanentana i Francis Turbo, ry Fou Hehy ary i Emanuel. Ankoatra ireo, tanora mpanakanto maro ihany koa no hiaka-tsehatra.

Atolotra manontolo hanampiana amin’ny fitsaboana an-dRandrenja ny vola ho azo amin’ity « Malagasy mifanome tanana ho an-dRandrenja » ity.

Raha ny toe-pahasalaman-dRandrenja, nambaran’i Lalao, omaly, fa « tao anatin’ny telo andro, misy masoandro mihiratra kely fa mbola tena ao anatin’ny fitsaboana ». Notolorany fisaorana avokoa ireo rehetra nanampy sy mbola hanampy amin’ny fitsaboana an-dRandrenja.

HaRy Razafindrakoto

 

9e art : une BD pour la promotion de Libres Ensemble

$
0
0
????????????????????????????????????

Faisant suite à la vaste campagne de sensibilisation de jeunes francophones à se mobiliser massivement pour faire entendre leur voix et affirmer leur attachement au vivre ensemble, une communauté de bédéistes malgaches lance la bande dessinée fraîchement intitulée « Libres Ensemble ».

Signée Heri Shinato, Maximus, Mozer, Raoto, Riri, Slee-ping Pop, Yves et Bary aux planches, cette bande dessinée collective a été présentée hier dans le cadre de la journée artistique pour les jeunes au village de la Francophonie Andohatapenaka.

« Cette œuvre  collective nous a permis de redessiner ce monde à l’image de nos rêves, de nos idéaux tout en nous inspirant des thèmes aussi variés que la paix, la diversité, la liberté et la solidarité », confie le bédéiste Mozer. Dans la foulée, une exposition présentant de façon récapitulative la 12e édition du festival Gasy Bulles en juin dernier, a été présentée sur les lieux.

A l’initiative de l’ Organisation internationale de la Francophonie (OIF), cet ambitieux projet a été lancé au mois de mars dernier à l’intention des jeunes francophones du monde entier. Mais, « Libres ensemble » touche aussi le domaine du 7e art et à cette occasion l’association T-Movie a organisé, cette semaine, un concours de film court portant sur ce thème.

« Libres Ensemble, suscite l’enthousiasme de la jeune génération parce que cette campagne renvoie aux droits et  aux valeurs fondamentales de liberté, de fraternité, de partage et de solidarité qui constituent le fondement de la Francophonie. Cette initiative traduit aussi une volonté de créer et de s’unir pour agir, construire et penser à l’avenir ensemble, dans un monde où la tentation du repli sur soi, le rejet de l’autre et l’intolérance ont tendance à progresser », a rappelé Michaëlle Jean, secrétaire générale de la Francophonie.

Joachin Michaël

The Dizzy Brains : « Nous sommes surexcités de revenir au pays », dixit Eddy

$
0
0
????????????????????????????????????

Depuis la participation de The Dizzy Brains au festival Trans musicales de l’année dernière, ce groupe de rock malgache ne cesse multiplier ses shows à l’étranger. Après sept mois de tournée internationale, le groupe sera de retour à Madagascar  pour donner un concert le 3 décembre au Le Club à Antaninema. Interview d’ Eddy Andrianarisoa, le leader du groupe.

* Les Nouvelles : Après ces plusieurs mois de tournée internationale, retourner au pays est toujours un autre moment fort…

– Eddy Andrianarisoa : Le fait de revenir au pays est toujours surexcitant pour nous, surtout après sept mois de tournée dans le monde. Nous aimons notre pays, malgré tout ce qui se passe actuellement ici. Puis revenir dans sa terre natale est toujours un meilleur moment pour se ressourcer.

* Après ces expériences, comment trouvez-vous les artistes malgaches, surtout les rockers, et leur avenir dans le monde du business mondial ?

– Les artistes malgaches ont beaucoup de talents. Et Madagascar regorge de talentueux musiciens mais malheureusement, en manque de professionnalisme. Côté rock, il y a de l’espoir, une vision des choses qu’on n’avait pas avant. Nous avons juste besoin de croire en eux et de les pousser, les aider à faire quelque chose.

* Et pour le groupe…

– Nous avons pas mal vécu et reçu des expériences durant cette tournée. Le groupe semble avoir changé depuis ces derniers mois et nous ne  ressemblons plus à ces musiciens ou artistes que nous étions, il y a de cela sept mois. Je pense que le groupe a beaucoup mûri au fil de la tournée, surtout côté musical. Aussi, nous avons énormément travaillé avec des grands professionnels que ce soit dans la musique ou dans l’organisation, donc nous avons dû nous adapter, ce qui nous a menés dans le monde professionnel actuellement.

* Qu’est-ce que vous allez proposer au public malgache pour ce concert du 3 décembre? Y aura-t-il un éventuel featuring avec d’autres groupes ?

– Rien ne change, nous avons toujours proposé et on proposera toujours ce rock « dizzy ». Avec une approche réfléchie et plus mature, le concert sera tel qu’il doit être, tout dépend de la vision des gens dans le public après. Pour les featuring, nous ne pensons pas vraiment nous lancer dedans, que ce soit sur scène ou sur un morceau.  En tout cas, la première partie de la soirée sera assurée par Fishy et El Dino.

* Quelle sera la suite de votre programme ? Vos prochains projets ?

– Pour 2017, il y aura une autre tournée c’est sûr, mais cette fois-ci beaucoup élargie. Nous viserons  davantage les pays anglophones sans doute. Les dates commencent peu à peu à être définies. Par ailleurs, nous commencerons aussi à nous focaliser sur le deuxième album. La rentrée à Madagascar se basera surtout sur les recherches, les compos. En tout cas, tout ce que nous espérons c’est que ce soit une belle année mieux que 2016.

Holy Danielle

 

Kolontsaina faran’ny herinandro

$
0
0
????????????????????????????????????

« Ndao hifety isika jiaby », lohatenin’ny seho an-tsehatra notontosaina teny amin’ny « Village de la francophonie » ny asabotsy tontolo andro. Nifanaraka tamin’izay rahateo ny teny an-tsehatra satria tazana teny avokoa ny ankamaroan’ny zavakanto toy ny dihy hira, haingo… Fa anisan’ny niavaka ny fandraisan’anjaran’ny Faribolana Sandratra. Tamin’ny feo mafy sy matanjaka no nanehoan-dry Liantsoa sy ny namany ny zava-misy eo anivon’ny fiarahamonina eto Madagasikara !

Endrika kanto tahaka izao no tazana teny an-tsehatra ! Naneho seho kanto tamin’ireo mpitsidika ny Village de la Francophonie ny mpanakanto nifandimby teny an-tsehatra. Anisan’ireny i Goth sy ny fahaizany misarika ny mpijery amin’ny alalan’ny fanentanana miharo hatsikana, sns. Ankoatra ireo rehetra ireo, hita teny an-toerana ihany koa ireo karazan-kira mampiavaka ny Malagasy, toy ny vakodrazana.

Nanangona : HaRy R. sy Mamiherison

Amin’ny taona 2017 indray… : naneho ny mampiavana azy ny Sehatra BaGasy

$
0
0
????????????????????????????????????

Tamin’ny alalan’ny seho lehibe notontosaina, omaly, tao amin’ny IKM Antsahavola, nanakatona ireo hetsika fanaony ao anatin’ny taona iray ny Sehatra BaGasy. Tamin’ny ankapobeny, ireo hira manome lanja ny tononkira, manasongadina ny paika sy ny gadona mifanaraka amin’izany no nahazo vahana nandritra ity fampisehoana ity. Tononkira maneho ireo endrika maro isaloran’ny fitiavana, zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, embona sy hanina, sns. Feon’ny mpihira sy ny zavamaneno manaraka azy, mirindra sy toa tsy avelan’ny angola, filirony, filatrony, sns, hisaraka… Miavaka ny BaGasy an-tsehatra !

Marihina fa anisan’ny sehatra ahafahan’ny mpanakanto mampivelatra ny talentany eo amin’ny tontolon’ny bagasy ny Sehatra Bagasy. Efa nahatontosa hetsika maro tao anatin’izay 5 taona nisiany izay ireo mpikambana ao anatiny. Fifanakalozana fahaizana sy fifampizarana traikefa ary voka-pikarohana rahateo ny antom-pisian’ity fikambanana ity, raha ny nambaran’ny mpitantana ny Sehatra BaGasy. Tanterahina amin’ny alalan’ny atrikasa sy zara sehatra ary BaGasy an-tsehatra izany ao anatin’ny taona iray.

HaRy Razafindrakoto

 

Film francophone : professionnaliser le secteur

$
0
0
film-francophone

Après plusieurs jours d’ateliers, de rencontres et de projections, la semaine du film francophone s’est clôturée en musique, hier à l’Is’art galerie à Ampasinimalo et ponctuée par un concert de Jimmy Harison. Selon les participants, composés des jeunes cinéastes malgaches, cette semaine a été à la fois constructive et instructive surtout avec les divers ateliers animés par les invités internationaux.

Co-organisée par les deux festivals Vues d’Afrique et Rencontres du film court (RFC), cette semaine du film francophone a pour objectif non seulement de démontrer le niveau du cinéma malgache à travers des projections, mais aussi et surtout d’améliorer le secteur.

Michel Leclerc, président du conseil d’administration du festival Vues d’Afrique a ainsi dévoilé quelques astuces et conseils pour pouvoir participer aux divers festivals dans le monde, et surtout au Canada. De son côté, Marie Brassard, comédienne, a présenté quelques techniques pour améliorer la prestation des acteurs et actrices. Et enfin le réalisateur Victor Ghizaru était surtout présent pour faire découvrir ce qu’est le film documentaire à micro budget.

Depuis le début de cette semaine, une quinzaine de films ont été projetés publiquement, dans divers sites de la capitale. Des productions malgaches telles que « Wrong connection » d’Ando Raminoson et des œuvres étrangères comme «  Un film avec toi… » de Jean Daniel Lafond étaient au programme. Certaines projections ont été suivies d’un débat avec le public et les professionnels du métier. « Objectif atteint, après la participation engagée des jeunes malgaches dans le but de professionnaliser le secteur », a déclaré l’un des membres de l’organisateur de cet évènement.

Holy Danielle

 


Village de la francophonie : le président François Hollande séduit

$
0
0
????????????????????????????????????

Le président François Hollande a visité dans la soirée du vendredi dernier le village de la Francophonie. Il n’a pas caché sa satisfaction.

Ebloui par la découverte qu’il a faite lors de la visite de certains pavillons comme celui de l’Organisation internationale de la Francophonie ou celui de la France, le président français s’est dit satisfait de l’organisation au sein de ce village artisanal où ont été regroupés les stands des pays participants au Sommet. Il faut savoir que l’initiative de mettre en place le village Voara a pour but de mettre en exergue l’artisanat malgache.

Une semaine chargée d’arts et de culture

Durant le Sommet, le village de la Francophonie à Andohatapenaka a accueilli diverses manifestations culturelles. Des spectacles, des conférences, des stands, des animations ont été au programme. La journée de clôture s’est déroulée hier devant un public enthousiaste.

Au programme, il y avait de la musique de tout genre, classique, jazz, des spectacles pour la petite enfance… Le 7ème art a aussi été mis en avant surtout au stand de T-Movie, l’association qui œuvre pour la promotion du cinéma malgache.

Le slam a également été sur le devant de la scène car les organisateurs ont lancé un concours en la matière et le grand gagnant a été dévoilé, hier lors de la clôture. Il s’agit du Système D, un slameur engagé à travers ses textes et sa vision.

Par ailleurs, ce qui a aussi le plus marqué durant cette semaine sont les divers défilés de mode assurés par les stylistes malgaches de renommée  internationale, entre autres Mialy Seheno, Jaomatana… Pour la première fois, le grand public a découvert les collections inédites de ces artistes.

Durant les journées de la francophonie, le village a été pratiquement assailli par des visiteurs toutes classes confondues même si le ticket d’entrée coûte 2000 Ar.

Nadia / Holy Danielle

 

Video mapping : une grande première à Madagascar

$
0
0
video-mapping

Le Tanà by night a été illuminé autrement, durant le week-end dernier, grâce à des séances de vidéo mapping qui se sont tenues dans trois sites différents de la capitale. Une grande première à Madagascar, et même dans l’océan Indien.

Si à l’étranger, la vidéo mapping est un art visuel habituel, projeté à chaque grand évènement, à Madagascar, elle a été expérimentée pour la première fois durant le week-end dernier. Organisé par Prodcom, il s’agit d’une projection de vidéo artistique, nécessitant  une technique spéciale en 3D sur une façade d’un bâtiment. Dans le cadre du Sommet de la Francophonie, il a choisi trois sites différents. L’immeuble EDBM à Antaninarenina et le grand rocher en contrebas du palais de la Reine à Ampamarinana ont bénéficié de ces animations sans le son tandis qu’à l’hôtel Le Louvre, les vrais vidéo mappings ont offert un spectacle son et lumière, suivis d’un grand concert.

Madagascar, le thème choisi

Initié par Stéfan Troubat, le projet a pris comme thème Madagascar. Pour dire que les vidéos mappings avaient pour objectif de dévoiler la beauté de l’île, mais aussi de démontrer le savoir-faire de l’agence Prodcom. Sur ce, pour que la fête soit davantage animée, il a invité des artistes qui  adoptent le style traditionnel modernisé. Ainsi, après chaque vidéo mapping qui dure une quinzaine de minutes, un groupe investit la scène. Les trois groupes ayant participé samedi dernier sont Madafeo, Rôla Gamana et Vilon’Androy. Hier, trois autres étaient à l’affiche, à savoir Kabosy Spirit, Rajery et Tambour Gasy. Et même s’il pleuvait, le public, composé plutôt de famille, était tout de même affiché leur présence.

«Grâce au Sommet de la Francophonie, Madagascar est actuellement au centre du monde francophone. Il mérite donc un événement exceptionnel de ce genre pour animer autrement la ville», a expliqué Julien Shainot de Prodcom. Ainsi, ce projet servira donc de tremplin pour dévoiler le savoir-faire des artistes graphistes et paoistes malgaches. «Notons que ces vidéos mappings ont été assurées par une équipe composé de Kelly et Josia, sous la direction artistique de Teza», a-t-il conclu.

Holy Danielle

 

Ady amin’ny herisetra : tonga eto ilay mpanao rap amerikanina Mahogany Jones

$
0
0
hip-hop

Charyse Lois Bailey, fantatra kokoa amin’ny hoe Mahogany Jones. Mpanakanto amerikanina, anisan’ny mamiratra eo amin’ny tontolon’ny rap izy. Tsy izay ihany, fa fantatra ihany koa amin’ny fironany amin’ny ady amin’ny herisetra.
Mandalo eto Madagasikara i Mahogany Jones, ary tafiditra indrindra ao anatin’ireo sehatra roa ilomanosany ireo ny anton-diany. Araka izany, fantatra fa hisy ny atrikasa manokana, eny amin’ny American Center eny Tanjombato anio sy rahampitso. Fiaraha-miasa amin’ny M3Free sy ny fikambanana Oe Kop izy, izay niantsoana ireo mpanakanto mivoy ny hip hop eto Madagasikara.
Ho eny amin’ny CDA Andohatapenaka, hanohana ny asan’ity ivo-toerana ity amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny fanilikilihana ihany koa ity mpanakanto ity ny 2 desambra izao. Ny ampitson’io kosa, hanao fampisehoana eo amin’ny lapan’ny Tanàna eo Analakely izy. Tsy vitan’izay fa mbola hisy ny fiarahana eny amin’ny kianjan’ny Kanto ny alahady izao, izay natao ho an’ny besinimaro.

Slam poésie : hamoaka ny « Mon beau village » i Malaria

$
0
0
malaria

Mpanakanto malagasy miangaly ny « slam poésie » i Malaria. Hamoaka ny « Mon beau village », rakitsoratra miaraka amin’ny mozika izy anio. Hetsika hotontosaina ao amin’ny Alliance française Antsirabe manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Sady handray anjara amin’ny « Les amis de la rimes » karakarain’ity ivontoeran’ny kolontsaina ity izy no hampahafantatra io rakitsoratra io ihany koa. Misy lahatsoratra 11 izay amin’ny teny frantsay avokoa ny « Mon beau village ».

Anisany hahazo tombony ny ao Antsirabe, Ambositra, Fianarantsoa, Mananjary satria afaka hanjifa izany voalohany. Ho avy tsy ho ela kosa ny eto Antananarivo sy ny faritra hafa, raha ny fanazavan’i Malaria.

Nanangona HaRy Razafindrakoto

 

AFT – Teatra : hoentina an-tsehatra ny « Kibo tsy omby »

$
0
0
????????????????????????????????????

Na mbola tsy vita aza ny fanamboarana ny Tranompokonolona Analakely, hany toerana azon’ny mpanao teatra ampiasaina, mitohy ny fiakarana an-tsehatra. Mifanome fotoana amin’ny mpankafy teatra ny tropy Jeannette, ny alahady izao etsy amin’ny Alliance française (AFT) Andavamamba. Holalaovina amin’io fotoana io ilay piesy mitondra ny lohateny hoe « Kibo tsy omby ».

Nosoratan’i Mbato Ravaloson, mpitarika ny tropy Jeannette sady filohan’ny fikambanan’ny mpanao teatra eto amintsika (FMTM), ity piesy ity, ny taona 1991. Niainga tamin’ny zava-nisy ny tantara, izay mikasika mpifankatia noraràna tsy hiara-dalana. Araka izany, ho tantaraina eny an-tsehatra ny sedra nolalovan’izy ireo.

Raha izay ny amin’ny tapany voalohany amin’ny fampisehoana, handrafitra ny tapany faharoa kosa ny fiangalian’ny tropy Jeannette ireo hira teatraly noforonin-dry Andrianary Ratianarivo sy Rasamy Gitara. Raha tsiahivina, efa 87 taona no niorenan’ny tropy Jeannette ary anisan’ny nanandratra avo ny lazan’izy ireo sy nanamarika ny tantarany ny sanganasan’ireto mpanoratra roalahy ireto.

Landy R.

Viewing all 10503 articles
Browse latest View live