
Tsy matory fa mierim-panahy. Izay no azo ilazana ny lalao fanorona eto amintsika. Na toa niniana tsy nomen-danja tao anatin’ny 100 taona mahery aza, niotrika sy nolalaovina isaky ny zoron-tanàna rehetra izy. Nokilasiana ho fandanian’andro naharava fanjakana ny fanorona mba hanjakazakan’ireo karazan-dalao vahiny nentin’ny mpanjanatany. Tsy maty vonoina anefa izany, hatramin’izao, raha mitaha amin’ny lalaom-piarahamonina nentin’ny vahiny toy ny « échec » sy ny « dame ».
Araka ny fanazavan’i Rivo sy Alivey, mpitsara lalao fanorona nasionaly nandritra ny hetsika fampahafantarana ny fanorona nokarakarain’ny Ortana sy ny Nelly Studio teo Antaninarenina, tsy fialam-boly fotsiny ny fanorona. Kolontsaina sy fitaovam-pianarana ny fiainana koa ny lalao fanorona, ankoatra ireo fahendrena ankolaka voiziny sy hiketrehana paik’ady fahizany raha nangorona fanjakana ireo Andriamanjaka tamin’ny fotoan’androny, ho an’izay milalao azy.
Fanorona satria…
Kolontsaina, tantara, fiarahamonina, foto-pisainana, fahaiza-miaina, fialam-boly, toe-tsaina, tantara… Ireo no ampahany azo tarafina ao anatin’ny lalao fanorona. Nenti-nanabe sy nitaizana na nitiliana ny faharanitan-tsain’ny ankizy handimby fahizany izy, raha ny fanazavan’ireo mpitsara nasionaly. Nohamafisin’ireo efa havanana amin’ny lalao rahateo io, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahaiza-miaina misokatra sy mahay mihaino ny hafa ary indrindra mandanjalanja.
Fanorona ny anarany satria « toro » niavian’ny fanoroana ny fototeniny. Tsy hoe mangorona araka ny fahitana ny fangoronana vaton’ny mpifanandrina na hoe fanorina ho amin’ny fanorenana fanjakana ihany koa fa ahitana ny fakan’ny hoe hevitry ny maro mahataka-davitra. Noho izany, tsy lalaon’olon-tokana ny fanorona fa lalao iraisana sy iombonana. Na mbola olona folo na mihoatra aza no milalao dia mety. Iarahan’ny rehetra manatrika eo ny fizotry ny lalao ka misy ny mpilalao mivantana, eo koa ireo mpanolo-tsaina sy ireo mpijery ary misy ny mpampirisika. Mpinamana, noho izany ireo rehetra ireo fa tsy mpifahavalo.
Tsara noho ny « playstation »
Amin’ny kilalaon-tsaina azy, mitaiza ny olona hampiasa saina lalandava sy hitadidy ny fanorona. Anjaran’ny mpilalao ny mitahiry an-kandrina izay dingana vitany farany ka hiatrehany ny ady manaraka mba hanala vela. Tsy toy ny an’ireo kilalao elektronika vahiny toy ny « playstation » izay ny milina no mitahiry sy mitadidy izay vita farany. Tsy vitan’izany, raha paik’ady efa voarafitra mialoha ny any anatin’ireny kilalao elektrokina ireny, ny mpilalao no mamorona ny paik’ady amin’ny fanorona.
Nanamarika anefa ireo mpitsara nasionaly fa mihavitsy ny mpilalao fanorona noho ny tsy fahampian’ny fanentanana sy ny nivoizana fa nahavery fanjakana ny lalao fanorona. Ankoatra izay, raha fandrafetana fahaiza-mikatroka sy miketrika paik’ady fanafihana ny hafa fotsiny ny « jeu de dame » mbamin’ny « échec », mitaiza ny olona tsy hiloka kosa ny fanorona. Lalao tsy mety tapitra rahateo saingy mila fifehezan-tena ny fanorona mba tsy ho fandaniam-potoana.
Ho azo lalaovina amin’ny finday
Mba hidirany amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy hanaraka ny famahoana ny haitao, efa eo amin’ny dingan’ny famokarana azy ho azo lalaovina amin’ny siniben-tserasera sy ny finday izao ireo mpikarakara amin’ny alalan’ny e-fanorona.com. Izany hoe misy « logiciel » ampiasaina amin’izany ka azo lalaovina amin’ny ordinatera na finday ny fanorona.
Ao anatin’izany no hahafahan’ny mpilalao, ankoatra ireo efa mampiasa ny lakam-panorona mahazatra, mifaninana amin’olon-kafa ampitain-davitra na mifampikatroka amin’ny ordinatera. Efa misy koa ny fifaninanana fanorona mampiasa jiro sy « écran géant ».
Fanoron-telo, dimy, sivy
Misy ambaratongany telo ny fanorona. Dingana voalohany ny fanoron-telo izay natao ho an’ny ankizy. Faharoa ny fanoron-dimy izay mbola ho an’ny ankizy ihany fa ataon’ny vehivavy sy izay tsy mbola tena mahafehy ny fanorona. Mitovitovy lenta amin’ny katro, izay mahatoraka ny fiofanana fitantanana eny amin’ny oniversite izy io. Farany ny fanoron-tsivy ho an’ireo efa tena mpikatroka sy tena havanana.
Ao anatin’io fanorona io koa nahatarafan’ny Ntaolo ny toe-tsain’ny olona iray manomboka amin’ny fahazazany ka mandra-pahalehibe azy. Ao, ohatra, ny fahaiza-mitantana, ka tsy mirobaroba fa mahay mifehy na mahatsinjo lavitra na ny ampitso fa tsy manao tondraka anio manan-jara. Na azo ianteherana sy andrin’ny fianakaviana na miaro ny taranany sy ny sisa. Tsy maika ny handripaka ny vaton’ny hafa fa mitsinjo ny ho avy. Fomba fitaizana hahatarafana ny hoavin’ny ankizy. Tsy mbola fantatra kosa izay nanorina sy namorona azy fahizany fa ny fantatra dia isika irery no manana azy.
Mitohy ny eo amin’ny Pergola
Na izany aza, tsy tapaka akory ny lalao fanorona eo amin’ny Pergola Antaninarenina. Antsoin’ireo mpahay azy hoe Oniversiten’ny fanorona eto Madagasikara rahateo io toerana io satria izay tena te hahay dia mijery sy mikatroka eo. Izay tsy mandalo eo, hono, tsy mahay fanorona. Tsy voaisa kosa ireo mpilalao manerana ny Nosy fa mety ho efa anjatony mahery, raha ny fanazavana.
Tsy lalao fandanian’andro fa fitaizana sy fiaraha-miaina ny fanorona ka tsy anariana ny fitadiavana sy ny fihariana. Miverina tsikelikely amin’ireo toeram-piasana na eny amin’ny toera-malalaka ny fiangaliana azy. Raha ny fanirian’ireo mpikatroka, tokony ho taranja iray na hetsika « para-scolaire » ny fanorona. Ny antony, misy ny ankizy efa nahazo tompon-dakan’ny fanorona nefa sady afaka baka no tsara naoty.
Zoelson Randrianindrina