Anisan’ny nahafantarana ny tarika Fanomezana, hatramin’izay niforonany izay, ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny alalan’ny hiragasy. Marobe ny fampisehoana efa vita. Afaka nanatevina ny mpikambana ao aminy rahateo, ity tarika 6 taona nijoroana ity. Raha 5 monja izany teo aloha, efa 32 izany ankehitriny. Fantatra fa manohy ny lalany efa nodiaviny ny tarika ankehitriny. Totoafo ny seho an-tsehatra. Ny 8 mey izao, hanatanteraka seho ao amin’ny katedraly Miarinarivo izy ireo. Ny 22 mey, hihazo an’i Zoma Be Aloka. 29 mey, any Ambohidrangahy Arivonimamo. Hitodi-doha eto Antananarivo, ka hanatanteraka seho ao amin’ny FJKM Ankadimbahoaka ny tarika Fanomezana ny 29 mey.
Marihina fa ankoatra ny hiragasy, manao gadona na karazan-kira hafa ihany koa ity tarika tarihin-dRafaliharinala Fanomezantsoa Jocelyn, ity. Anisan’izany ny bagasy. Marihina fa manaraka ny firafitry ny hiragasy mihitsy (ahenoina sy ahitana reninkira, vakodrazana, kabary, dihy…) ny hira ara-pilazantsara hiangalian’ny tarika Fanomezana.
Manakoako hatrany ny « Ny lasa », « Akaiky », « Vonona ve ? », « Voalohan’ny teny », sns.
HaRy Razafindrakoto