« Manankarena ny kolontsaina raha resahina ny eo amin’ny sehatry ny asa famoronana soradihy », hoy Rakotobe Lovatiana, mpitarika ny kaompania Lovatiana. Mila tohana anefa izany.
Tohanana amin’ny lafiny maro (teknika, fisehoana an-tsehatra, sns), torohevitra amin’ny famoronana ary fifanakalozana traikefa ireny asa famoronana ireny. Ny hanatrarana ireo indrindra no tanjon’ny tetikasa iarahan’ny kaompania Lovatiana sy ny kaompania Rary manatanteraka. Tetikasa miafara amin’ny « Festival 321 ».
Tanterahina isaky ny roa taona ny tetikasa ary andiany faharoa ny amin’ity taona ity. Soradihy vao noforonina, miisa 30, no hahazo tohana sy torohevitra ary hifanakalo traikefa, raha 20 teo ho eo izany tamin’ny andiany voalohany. Hisy matihanina amin’ny sehatry ny dihy sy amin’ny lafiny hafa hampiofana ireo mpamorona sy mpandihy.
Misy karazany telo ireo mpampiofana : ny mpampiofana maharitra, efa nanomboka ny asa ny volana janoary teo. Eo koa ny mpampiofana mandritra ny volana vitsivitsy, nisantatra izany tamin’ity volana ity. Ao koa ny mpampiofana avy any ivelany, hifandray tsy tapaka amin’ireo mpanakanto, manomboka amin’io volana mey io ary hoavy eto amintsika.
Haseho an-tsehatra, mandritra ny « Festival 321 », hotontosaina ny 29 aogositra hatramin’ny 3 septambra 2016, ireo soradihy nahazo fanohanana ka nohatsaraina. Mbola hoenti-manaporofo ny hakanton’ny dihy ihany koa ireo tetikasa nohatsaraina, nandritra ny andiany voalohany. Hanana ny sehatra azy manokana ny ankizy sy ny tanora, mandritra ny « festival ». Handray vahiny, matihanina amin’ny soradihy ny « Festival 321 ».
Landy R.