Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Rock : hiverina amin’izay ny Apost

$
0
0
APOST

Elaela tsy tazana an-tsehatra ny tarika Apost. Fantatra kosa izao fa hiverina tsikelikely amin’izay ny tarika, ka hisantarana izany ny etsy amin’ny Amitié Fandian Ankadindramamy, anio , manomboka amin’ny 9 ora alina. Ireo hiran’ny Apost rehetra hatramin’izay, miampy ireo hira 11 tao anatin’ny rakikira farany, samy halahatra ao avokoa. “Apokalipsy, “Dila”, “Tsy hita”, sns, tsy hisy latsaka araka ny fangatahan’ny mpankafy ireny, raha ny fanazavana nomen’i Abasse sy ny mpikarakara tao amin’ny onjampeo iray, omaly.
Fotoana hanomezan’ny tarika fofompofony amin’ireo hira vaovao ihany koa anefa io, raha ny fazavana hatrany. Niketrika izay hatolotra anatin’ny rakikira manaraka rahateo no nahatonga an-dry zalahy ireto ela tsy heno. Hatomboka amin’ny “live acoustique” ny fiarahana. Handalo koa ny fanaovana ireo hiran’ny tarika vahiny, ankoatra ny fampiakarana namana iray tsy ampoizina. Eo avokoa ny mpikambana ao amin’ny Apost amin’io, na ny taloha na ny vaovao.

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503