Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Capital Feeling : nafana ny fanamarihana ny Andron’ny dihy

$
0
0
????????????????????????????????????

Niompana tanteraka tamin’ny tontolon’ny dihy ny ankamaroan’ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto notontosaina omaly, teto an-dRenivohitra sy tany amin’ny tanàn-dehibe hafa. Nomarihina, omaly, tokoa mantsy ny Andro eran-tany ho an’ny dihy, amin’ny karazany rehetra.

Tsy latsa-danja tamin’ny maro ny « Thé dansant » nokarakarain’ny Federasion’ny dihy ara-panatanjahantena sy ny « danse de salon » (FMDSS) niaraka tamin’ny kaompania MC Rija, tetsy amin’ny Capital Feeling etsy Analakely omaly tolakandro. Nafana ny fiarahan’ireo matihanina amin’ny dihy tamin’ireo vahiny marobe, tonga nanotrona ny fety.

Nampiavaka ity hetsika ity ny fanentanana ny rehetra hanome lanja manokana ny dihy, indrindra ny « danse de salon », ka na nisy aza ireo tsy nahay izany, nampianarina maimaimpoana izy ireo. Tanjona ny hoe tsy hisy hiavaka fa hiara-hifety tanteraka. Nanome aina sy nampiavaka ny fotoana ihany koa ny niarahan’ny rehetra niakanjo mainty sy fotsy.

Lasa Ambohipihaonan’ny mpankafy ity karazan-dihy ity ny tetsy amin’ny Capital Feeling, omaly tolakandro. Toy ny isan-taona, miaraka amina toerana iray hatrany izy ireo sy ny FMDSS.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503