Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Hiragasy : nodimandry Razily Bôinina

$
0
0
HIRAGASY

Misaona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Raha ny vaovao nampitain’i Dadafara Lt Production, nodimandry ny 6 jona, tany Amboanana Arivonimamo, teo amin’ny faha-82 taony Razily Bôinina (Razily Boeing) ao amin’ny tarika Rasamoelison Andohavary. Anisan’ny zoky eo amin’ny fanaovana hiragasy, satria efa ho 55 taona niangaliana izany. Ho an’ireo nahafantatra azy, anisan’ny havanana tanteraka tamin’ny kabary Razily Bôinina. Hainy tsara ny manintona ny olona hihaino azy.

Ho an’i Dadafara, « tokony ho jeren’ny fanjakana manokana ny tontolon’ny hiragasy, amin’ny lafiny rehetra mihitsy, satria anisan’ny kolontsaina malagasy manabe olona maro ny hiragasy ». Teo foana ny hiragasy na natao anjorom-bala aza noho ny ezaka nataon’ny mpihiragasy sy ny mpankafy ary ny mpikarakara hiragasy. Ny alarobia izao no halevina ao Amboanana Arivonimamo ny nofomangatsiakan-dRazily Bôinina.

Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny tontolon’ny hiragasy ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503