Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Hisy sehatra efatra : andiany fahenina ny « Jazz@Tohatohabato »

$
0
0
????????????????????????????????????

Na somary sarotsarotra aza ny fanatanterahana ny hetsika, noho ny fahasarotan’ny fitadiavana mpiara-miasa, raikitra ihany ny andiany fahenina amin’ny « Jazz@Tohatohabato ». «… Ary tsy ho latsa-danja amin’ny andiany dimy teo aloha ny amin’ity », hoy ny mpikarakara, omaly, tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy, Analakely.

Anisan’ny goavana amin’izany ny hisian’ny sehatra efatra eo amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina ny 11 jona, manomboka amin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 9 ora alina. « Jazz street », azon’ny olon-drehetra atao ny mandray anjara eo amin’ireo sehatra efatra ireo. Ny sehatra voalohany, hisy ny jazz « standard ». Faharoa, natokana ho an’ireo hanao ny « fusion ». Sehatra fahatelo, ho an’ny jazz « vocal » ary ny sehatra fahefatra ho an’ny « expression libre » toy ny rap, hatsikana, poezia… Ny alahady 12 jona, hanoloana ny tohatohabaton’Antaninarenina ny sehatra lehibe handraisan’ireo mpanakanto mpiangaly ny mozika jazz anjara. Ao ny avy any ivelany, toa an’i Magnus (Alemanina), Philippe Blin (Frantsa), Talafaral (Chine). Ny avy eto an-toerana, tahaka ny Jazz Club CGM, Sammy Andriamanoro, Bandy Baraka Fanfare, Centre Alabri, izay hisy ankizy hatrany amin’ny 50 hitendry zavamaneno, sns. Ankoatra ireo, hanafana ity andiany fahenina ity ihany koa ireo mpiangaly mozika « trad », toa an’i Jovin, Seva, Donné Randria Ernest, Sam’Se, sns. Ny 9 jona atrikasa entanin’i Magnus. Ny 10 jona entanin’i Talafaral, samy amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny CGM, avokoa ireo.

Ny « Jazz kids », fiakaran-tsehatr’ireo ankizy mpilalao ny mozika jazz no hanokafana ny hetsika, ny 8 jona ao amin’ny Tranompokonolona Analakely, amin’ny 2 ora sy sasany.

Anisan’ny vaovao lehibe nampitaina, omaly, ihany koa ny fahazoan’ny CGM zavamaneno vata maroafitsoka, amponga maroanaka, trompetra, gitara, sns, tena raitra avy any amin’ny ambasadaoro Alemà, miasa eto Madagasikara.

HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503