Handray vahiny i Mahamasina… Ankoatra ny matso, arahina fampisehoana goavana eny an-toerana ny 26 jona. Ho avy ao koa i Luyanna…
Vahiny tsy nampoizina ! Fantatra fa ho avy manokana eto Madagasikara i Luyanna, hiara-hankalaza ny fetin’ny Fahaleovantena amin’ny Malagasy. Vaovao lehibe nampitain’i Wawa, tamin’ny alalan’ny « Facebook » io.
« Vaovao mahafaly ho anareo mpankafy mipetraka ao Antananarivo, handray anjara amin’ny podium goavambe ao Mahamasina i Wawa. Nasaiko manokana ihany koa i Luyanna, namana niara-nanatontosa hira niaraka tamiko. Ho avy izy amin’io fetibe io », hoy ny fanambaran’i Wawa.
Raha tsiahivina, mpanakanto vahiny, teratany frantsay sy portiogey i Luyanna. Niara-niasa tamin’i Wawa, ka efa nahavita ilay hira « Ela ela », izay noraisina an-tsary tany Nosy Be izy. Efa nampanantena i Luyanna tamin’ny fandalovany voalohany, fa tsy maintsy hiverina eto Madagasikara. Noheverina fa mandritra ny fandraisany anjara amin’ny “Festival Sômaroho”, izay hatao any Nosy Be amin’ny faran’ny volana aogositra izao izany, kinanjo ho tonga mialoha ity mpanakanto malaza maneran-tany ity.
Hilahatra amin’ireo ngeza…
Mandritra ny “podium” famaranana ny andiam-pampisehoana maimaimpoana, izay hatao eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny tolakandron’ny 26 jona, no hiaka-tsehatra i Luyanna. Hilahatra amin’ireo tarika ngezalahy izy amin’izany. Ankoatra an’i Wawa sy ny tariny mantsy, hifandimby amin’io ihany koa ry Samoëla, Jerry Marcoss, Arnaah, Stéphanie, Oladad, sns. Hisahana ny fanentanana kosa i Francis Turbo.
Zo ny Aina