Vazo miteny. Tononkira mivantana, mampita hafatra, mitaiza sy manabe… Tafaraka any Fandriana indray i Nantenaina sy Belahy. « Tour de Mada 2016 », fampisehoana lehibe hotanterahin’ireto mpanakanto manana ny maha izy azy ireto ao amin’ny LPSCOF ny asabotsy 25 jona izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.
Hitondra ireo hira nahafantarana azy sy ireo vazo vaovao i Nantenaina. Toraka izany ihany koa i Belahy. Iraisan’izy ireo hatrany kosa ilay fampitan-kafatra ho an’ny fiarahamonina iray manontolo. Voakasiky ny tononkira avokoa ny sokajin-taona rehetra. Mahazo ny anjarany ny mpianatra, ireo mpanabe, mpanao politika, fitiavan-tanindrazana, fifankatiavan’olon-droa, sns. Hiaka-tsehatra ihany koa Rajouh.
Hitosaka amin’io seho goavana io ny « Tambitamby », « Fitia tsy tafita », « Völan’écolage »… Ao ihany koa ny vazo miteny hoentin’i Belahy, toy ny « Bonne chance », « Politika », « Kristianina », « Hopitalim-bahoaka », « Asa ihany », sns. Nampanantena seho kanto rahateo i Nantenaina sy i Belahy. « Tsy ho latsa-danja amin’izay efa natao hatramin’izay ity any Fandriana ity », hoy i Nantenaina.
HaRy Razafindrakoto