
Mbola lavitra ny ezaka… Antony iray mandrisika ny fikambanana T-Movie, hitondra aina vao hatrany ho an’ny sarimihetsika malagasy izany.
Efatra andro hatokana ho an’ny sarimihetsika. Hanomboka ny 30 jona hatramin’ny 3 jolay ho avy izao ny andiany manaraka amin’ny “Festival T-Movie Awards 2016”. Hotsikafonina mandritra izany izay mahakasika ity sehakanto iray ity eto Madagasikara. Tsy miova kosa ny tanjona, dia ny hampamirapiratra ny tontolon’ny sarimihetsika, izay iaraha-mahalala fa mbola lavidavitra ny lalan-kizorana raha oharina amin’ny any amin’ny firenen-kafa.
Efa aman-taonany ireo mpikambana ao amin’ny T-Movie no niezaka nanome aina vao ity sehatra ity. Ahitana mpanoratra, mpanatontosa, teknisianina ary mpankafy sarimihetsika izy ireo. Fotoana iray hizarana izay fitiavana sy fankafizana ny sarimihetsika izay ny hetsika.
Hampahafantarina ny rehetra ny dingana rehetra amin’ny fanatontosana ny sarimihetsika. Hovoaboasina avokoa ireo asa sy andraikitry ny tsirairay, ao anatin’ny fanatontosana. Mazava loatra fa hatao ho adihevitra ny sakana izay tsy mampandroso ny sarimihetsika
Maromaro ny valan-dresaka arahina adihevitra, mahakasika lohahevitra maro, izay hotontosaina mandritra ireo efatra andro ireo. Anisan’ireny ny lafiny ara-bola amin’ny fanatontosana, ny toeran’ny vokatra sarimihetsika, ny mahakasika ny feo, ny fomba fakana sary, sns. Ao amin’ny IKM Antsahavola avokoa no hotontosaina izany.
Hanaraka izany koa ny fandefasana sarimihetsika maromaro, ankoatra ny fampirantiana sary, fandraisana ireo te ho mpilalao sarimihetsika, sns.
Zo ny Aina