
« Manal’azy vita Bcac ». 25 taona lasa izay no nisian’izany hetsika, iarahana amin’i Olombelo Ricky, izany voalohany. Ankehitriny, mbola misy izy ary mitazona ny maha izy azy. Hotontosaina anio hariva, eny Antsahamanitra toy ny mahazatra, ny « Manal’azy vita Bacc 2016 ».
« Izy indrindra », « Taratra hazavana », « Ikalangita », « Tsy mety milaza » … Hanakoako indray izany, anio hariva. Toy ny mahazatra, aorian’ny fanadinana bakalorea, fotoana iray iarahan’ireo mpianatra, mpinamana ary koa ireo tia « manala azy » miala voly sy mifalifaly ny fampisehoana irahana amin’i Ricky.
Isan-taona, mihamaro hatrany ireo fety karakaraina manokana ho an’ny mpianatra avy niatrika fanadinana bakalorea. Toa tsy mampihontsona ny « Manal’azy vita Bacc » anefa izy ireny. Marobe hatrany ireo tanora mankafy ny fiarahana amin-dry Ricky sy ny tariny. Midika izany fa mafy fototra sy manana ny mampiavaka azy ny mozika atosak’ity mpanakanto ity.
Tsara ny manamarika fa hanam-bahiny ny « Manal’azy vita Bacc » amin’ity taona ity. Tsy iza izany fa i Alex sy Rozane Klopp, mpanakanto teratany alemà, izay efa naniry mafy ny hiara-paly amin’ireo mpanala azy sy ny tarika Olombelo Ricky.
Landy R.