
Nosokafana omaly tetsy amin’ny foiben’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco (Com.Nat. Unesco) Behoririka ny atrikasa fampianarana taosary. 30 teo ho eo ny mpandray anjara ka saika tanora sy ankizy ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra ny ankamaroan’izy ireo.
« Amin’ny ankapobeny, ny fototra amin’ny fanaovan-tsary no omenay. Afaka mandalina ny mpiofana avy eo », hoy Rakotoarimanana Baritiana Mickaël avy ao amin’ny Tantsary izay miantsoroka ny fampiofanana. Nambarany fa aorian’ny fiofanana, efa tsy hanaotao foana amin’ny fanaovana sary ireto mpianatra ireto. « Na izany aza, mila manao fampiasana matetika mba tsy hanadinoana ny fototra », hoy izy.
Fantatra fa tanterahina isaky ny alarobia tolakandro ao anatin’izao fialan-tsasatra lehibe izao ity atrikasa momba ny taosary (Sariitatra, tantara an-tsary,…) tontosaina etsy amin’ny foiben’ny Com. Nat. Unesco Behoririka ity.
HaRy Razafindrakoto