Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« Pazzapa Next Generation » : niditra ny « Hôtel Pazzapa » ireo mpifaninana

$
0
0
PAZZAPA

Raikitra amin’izay ny tena fifaninanana. Niditra ny « Hôtel Pazzapa » tetsy Ivato, omaly, ireo mpifaninana 18, tafavoaka tamin’ny dingan’ny fifanintsanana, tamin’ilay fifaninanan-kira « Pazzapa Next Generation ». Solontenan’ireo mpifaninana teto Antananarivo ry Lanja, Zoé, Miandry, Fani, Oli, Andrianina, Miharisoa, Herymitia ary Mélanie. Avy any Antsirabe ry Adrien, Camille ary Bradley. Avy any Toamasina i Méloh sy Vickie. Hisolo tena an’Antsiranana i Doudoune sy Maurena raha toa ka mpifaninana tokana avy any Mahajanga i Naya.
Navondrona mba hanome ny tsaratsara kokoa amin’ny fifaninanana ireto mpanantalenta ireto. Afaka hanaraka azy ireo isan’andro amin’ny fahitalavitra kosa ireo mpankafy sahady azy ireo. Hiofana eo amin’ny lafiny hira sy mozika, fihetsika an-tsehatra ary dihy izy ireo. Tsy vitan’ny fiofanana fotsiny, fa fanomezana torolalana ho azy ireo amin’ny dingana holalovany aoriana, amin’ny maha mpanakanto izany.
Amin’ny maha « télé réalité » azy, tsy hisy hiafina mandritra ny valo herinandro ny fiainan’ireto mpifaninana ireto. Ho hita eo ny tena toetran’ny tsirairay, ny fahaizana miara-monina, sns. Niarahaba ireo mpifaninana voaray ny filoha tale jeneralin’ny Dream’in sy ny Dream’on, no sady nandrisika azy ireo hanome ny tsaratsara kokoa hatrany. Marihina fa handeha isaky ny asabotsy ao amin’ny Dream’in ny « primes » rehetra, mialoha ny famaranana.

Zo ny Aina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503