
Nisy fotoana, latsa-dranomaso mihitsy i Nono… Nandray azy tsara ireo mpijery ary tsy lefy laza ireo hirany. Fihaonan’ny tia sy ny manina ny seho.
Sehatra lehibe, manatrika ny mpijery amin’ny « gradins » ilany ihany… Izay no tazan’ireo mpijery voalohany, niditra ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny tolakandron’ny asabotsy teo. Fa iza avy no ho eo ? Toa maromaro ny toerana ho an’ny mpitendry ? Voavaly ireo fanontaniana, vantany vao naneno ny feon-kira voalohany…
Avy hatrany dia vavany, satria nasesin’i Nono tany amin’ny voalohany avokoa ireo hira tena nandrasan’ireo mpankafy. Tsapa tao anatin’ny lapa ny fitia nifamaly, avy eny an-tsehatra sy teny amin’ireo mpijery. Niaraha-nihira ny « Ialahy », « Ento aty », « Hoy ianao », « Masoandro », sns. Taty amin’ny tapany faharoa kosa vao namerina kely ireo hira efa taloha saingy tsy dia maro mpahalala, toy ny « Ray ô », « Saranga », sns, izy. Nandrasan’ny maro loatra, ka anisan’ny fotoana nafana indrindra ny niarah-niredona ny « Io fitiavana io ihany », sy ny « Tonga lafatra ». Nalai-nisaraka ny rehetra, ary velona ny fangatahana fanohizana rehefa nanambara i Nono fa tapitra ny seho… Na izany aza, mbola natolony ny « Divaorsa » ireo mpankafy nangataka.
Naka tanora mpanao feo lafika maromaro i Nono, nanampy azy nandravaka ireo hira. Nanome aina vao ireo sanganasan’ity mpanakanto ity izany, ka anisan’ny tena nahafaly ireo mpijery sy nandona ny fon’i Nono ihany koa. Nohateveniny ihany koa ny lafiny zavamaneno, niantsony ireo mpanakanto namany ka nahitana mpitendry « violencelle » sy « violon », nanampy ireo zavamaneno mahazatra. Niavaka sy nahafa-po an’i Nono ny nataon’i Mbola sy Omega teo amin’ny « claviers », raha toa ka somary nobedesiny ny mpively amponga maroanaka, satria nanao fahadisoana madinidinika…Satria izay ilay Nono, fantatry ny maro hatramin’izay. Sarotiny amin’ny resaka mozika ary tsy te hanaotao foana amin’io lafiny io.
Hisy fihaonana manaraka
« Tena faly… Satry foana hihaona. Mahafinaritra ahy ny miara-mihira aminareo », hoy i Nono. Tsy hitany izay teny nanehoana ny hafaliany. Nisy fotoana aza, latsaka kely ny ranomasony ka nipetraka ambony sehatra izy, tao anatin’ny famerenana ny « Io fitiavana io ihany ».
Tsy ampy ireo mpankafy ny fotoana nihaonana, indrindra ho an’ireo tara fidirana. «Efa nifampiresaka izahay teo, ka asiana fiarahana manaraka, ny zoma izao, eny amin’ny Krypton Ambohimalaza », hoy ny fampanantenana nataon’i Nono. Fotoana fanararaotra, indrindra ireo tsy nahita, satria tsy fantatra indray izay fotoana hiverenan’ity mpanakanto ity eto an-tanindrazana manaraka…
Zo ny Aina