Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

« The revival 2 » : rindran-kira ho famohazam-panahy

$
0
0
REVIVAL

Hotanterahina ao amin’ny Carlton Anosy, ny 28 aogositra izao ny « The revival 2 » na ilay rindran-kira ara-pilazantsara ho famohazam-panahy ny tsirairay.  Hetsika karakarain’ireo tanora lahy sy vavy mivondrona eo anivon’ny Halleluiah International Music (Him). Anisan’ny tanjona lehibe amin’ny fampisehoana ny ahafahana mampifanatona bebe kokoa ny olombelona amin’ilay Nahary ny lanitra sy ny tany.

Hampiavaka ity rindran-kira ara-pilazantsara ity ny hanolorana hira maromaro mikolo fanahy amin’ny fiteny malagasy. Anisan’ireny ny “Ampelatananao”, “Lehibe ny fitiavanao”, “Ianao no ilaiko”, sns, raha toa ka nirona kokoa tamin’ny teny anglisy ny andiany voalohany, araka ny fanazavan’i Nathan avy ao amin’ny Halleluiah International Music.

Ho heno eny an-toerana ihany koa ny vokatry ny fikarohana nataon’ny “Him” avy amin’ny fanakambanana ny gospel amin’ny pop rock. Vahiny nasaina ny tarika The Called, Rija Rakoto…

Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny karazan-kira gospel no tena nahafantarana ny Him. Manana mpihira lahy sy vavy havanana amin’izany ity vondrona tanora mpihira ara-pilazantsara ity.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503