“Fiainam-baovao”. Io indray ny lohatenin’ny rakikira vaovao an’ny tarika Lahatra, tsy zovina intsony eo amin’ny tontolon’ny fitoriana ny Filazantsara an-kira. Toy ny fanaon’izy ireo tamin’ireo vokatra roa voalohany, ampahafantarina sy ampitaina amin’ny rehetra aloha ny hafatra ary aorian’izay vao hivoaka ny VCD sy ny DVD, samy ahitana hira 10. Araka ny nampanantenain’ny filohan’ny tarika, Andrianjafindralahatra Léon, tsy ho ela akory ny fivoahan’ireo.
Efa nanomboka tamin’ny volana jona ny fitondrana an-tsehatra ireo hira vaovao ireo. Ny alahady izao, ohatra, hiara-hanamarika amin’ny mpino ny fetin’ny taranaka ao amin’ny FJKM Ikianjasoa Fiderana, any Mandiavato Miarinarivo, ny tarika Lahatra. Tsy mitsahatra ny fitetezana ireo faritra samihafa manodidina ny Renivohitra. Ankoatra izany anefa, efa mandeha amin’ny onjampeo ny sasany amin’ireo hira vaovao.
Tsiahivina fa miara-miasa akaiky amin’ny fiangonana kristianina, izay tsy misy anavahany, ny tarika Lahatra amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Amin’ireny fampisehoana ireny irery ihany no anaparitahany ireo rakikirany. Anton’izany safidy izany ny mbola fisian’ny mpanao piraty, araka ny fanazavana hatrany.
Landy R.