Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

“Bà gasy an-tsehatra” : zava-baovao ny etsy amin’ny IKM

$
0
0
????????????????????????????????????

Hotontosaina etsy amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM ) etsy Antsahavola, rahampitso tolakandro, ny “Bà gasy an-tsehatra”, hetsika fanaon’ny Sehatra bà gasy isam-bolana. Ho hita taratra mandritra ity andiany ity fa tsy voafetra ny sehatra azo iangaliana ny bà gasy, anisan’ny mampiavaka antsika Malagasy.

Azo atao tsara ny mitory ny Filazantsara sy ny midera an’Andriamanitra amin’ny hira bà gasy. Hanaporofo izany ny tarika Angola Fiderana, avy amin’ny fiangonana FJKM Ilanivato. Izy ireo mihitsy no mamoron-kira bà gasy, izay hoentin’izy ireo an-tsehatra, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Sehatra bà gasy.

Hanafana ny “Bà gasy an-tsehatra” ihany koa ny Sekoly Alahady eny Analamahitsy, ahitana ny sokajin-taona rehetra. Mampiavaka azy ireto indray ny fankafizana bà gasy, nanosika azy ireo handray anjara amin’ny fampahafantarana sy fampiroboroboana ity vakoka ara-mozika ity.

Ankoatra ireo tarika roa ireo, hampiavaka ity andiany ity ny fahatongavan’i Dédé Sorajavona. Monina any ampitan-dranomasina any izy, saingy tonga eto hizara ny kanto fitondrany mitety firenena maro any ivelany any. Fotoana tokana ihaonana amin’ity mpanakanto ity, araka izany, ny rahampitso.

Marihina fa, noho ny fahasimban’ny Tranompokonolona Analakely, etsy amin’ny IKM indray aloha izany no hanatanterahana ny “Bà gasy an-tsehatra”.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503