Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Sarimihetsika : hivoaka VCD/DVD ny « Adisanina copain »

$
0
0
ADISANINA

Toy ny nahalalana ny sarimihetsika novokarin’ny orinasa Scoop Digital hatramin’izay ifangaroana fihetseham-po samihafa ny tantara « Adisanina copain ». Hivoaka an-kapila mangirana (VCD/DVD), manerana an’i Madagasikara, ny 30 aogositra izao izy io, raha ny fampahafantarana natao omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Cemdlac Analakely.

Ankoatra ny fampihomehezana ahitana tranga mampintaintaina, mampalahelo ary indrindra mifono anatra eo amin’ny fifampitondrana ao an-tokantrano sy eo amin’ny fiarahamonina ny sarimihetsika « Adisanina copain ». Tantaran’ilay zanaka manamboninahitra iray tia zavakanto kanefa teren’ny rainy hanaraka ny eritreriny. Mba hampanjaka ny heviny, niditra tamin’ny fanararaotam-pahefana mihitsy ity raim-pianakaviana ity.

Ho enjana ny ady amin’ny piraty

« Efao ny andraikitrareo mba tsy ho izahay artista no hidina an-dalambe hanao ny asanareo », hoy Razafimandimby Mamitiana, tale jeneralin’ny orinasa Scoop Digital, omaly. Nambarany tamin’izany fa fantiantoka goavana tsy ho an’ny orinasa ihany fa ho an’ny olona rehetra mivelona amin’ny asa tahaka izao ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny fanjakana. « Maherin’ny 1300 izao ny fianakaviana mahazo fidiram-bola raha tsy hilaza afa-tsy ny mpivarotra VCD/DVD manerana an’i Madagasikara aho », hoy hatrany ny tale jeneralin’ity orinasa ity.

Ho fanampiana ireo ray aman-dreny amin’ny fampidirana mpianatra, fitaovam-pianarana mitentina 6.000.000Ar no hozaraina amin’ireo tsara vintana mividy CD tena izy.

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503