Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Fampirantiana : hamantarana an’i Dox sy Hanitr’Ony

$
0
0
????????????????????????????????????

Mandalo eto an-tanindrazana ny taranak’i Dox. Voandalana roa lehibe no miaraka amin’izy ireo amin’izany. Boky “Chants capricorniens” mirakitra ny sanaganasan’i Dox sy “Deux fois une” nosoratan’i Hanitr’Ony, zafikelin’ity andrarezin’ny tontolon’ny soratra malagasy ity. Mandritra ny fampirantiana hotontosaina ao amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, manomboka anio ka haramin’ny 3 septambra izao no hamantarana ireto mpanoratra ireto amin’ny alalan’ny sanaganasany. Boky samy avoakan’ny edisiona Sépia.

Chants capricorniens”, ahitana ny maha mpanao hosodoko ny mpanoratra. Hatarafana ilay fomba fanoratra manavanana an’i Dox. « Deux fois une », 155 pejy mirakitra ny sanganasan’i Hanitr’Ony. Miampy ny fandikana ireo tononkalon’ny mpanoratra malagasy (Nalisoa Ravalitera, F-X Mahah, Hajaina…) amin’ny teny vahiny sy tononkalo vahiny (Paul Valery, Charles Baudelaire…) amin’ny teny malagasy.

Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-100 taon’i Dox izao hetsika izao. Tsy eto an-tanindrazana ihany fa hatrany ivelany no nitondrana izany.

HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503