Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Unesco – Tantsary : mpiofana 40 notolorana mari-pahaizana

$
0
0
????????????????????????????????????

Nandritra ny 5 herinandro, isaky ny alarobia hariva, mpiofana 40 mahery no nanaraka fampianarana momba ny taosary tetsy amin’ny foiben’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco (Com. Nat. Unesco) Behoririka. Notolorana « Attestation » , omaly, izy ireo hanamarinana izay fahavitany ny fiofanana izay. “Amin’ny ankapobeny, afa-po izahay. Nahaliana ny mpiofana ny tolotra nomena azy. Na somary fohy azan y fotoana, tafita ny zavatra nampitaina”, hoy Raoto Andriatsihoarana, filohan’ny Tantsary. Nanamafy izany ihany koa ny sekretera jeneralin’ny Com.Nat. Unesco, Hanta Raboanary izay nandrisika ny mpiofana hanohy hatrany ny fianarana taosary noho izy io manampy be amin’ny fanabezana rantovina any an-tsekoly.

Marihina fa nizara roa ny fiofanana nomena. Ny mpiofana mihoatra ny 12 taona, nianatra momba ny fototra amin’ny fanaovana sarin’olombelona sy “perspective”. Ny latsaky ny 12 taona kosa, nomena ny fomba fanaovan-tsary miainga amin’ny bika fototry ny fanaovan-tsary, toy ny boribory, mahitsizoro… Niofana momba ny fandokoana amin’ny pensily miloko ihany ko aizy ireo.

HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503