Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

CC Esca : hampiaka-tsehatra olona samihafa i Gothlieb

$
0
0
????????????????????????????????????

Efa elaela ny tsy nahitana an-tsehatra an’i Gothlieb. Ho afa-po tanteraka ireo mpankafy, satria fotoana roa be izao no homeny azy ireo: ny voalohany, anio hariva ary ny faharoa kosa, amin’ny alahady tolakandro izao, samy etsy amin’ny CC Esca Antanimena. Mampanantena fampisehoana miavaka ny lehilahy ary azo inoana sahady izany, raha ny hita eo anoloan’ny CC Esca, nanomboka ny alarobia teo.

Ahitana taratra ny mety hitranga, anio hariva sy amin’ny alahady izao, ny fampirantiana etsy anoloan’ny CC Esca Antanimena. Tsy inona izany fa ny tontolon’ny fakana tahaka endrik’olona sy izay rehetra ahafantarana azy nataon’i Gothlieb. Azo lazaina ho ity mpanao hatsikana ity ihany aloha, hatreto, no havanana sy fanta-daza amin’ny fakan-tahaka olo-malaza na karazan’olona samihafa.

Rabenitsara, Olga, Ratsirahonana, Cyril, sns. Ireo rehetra ireo, araka izany, no hifandimby hiaka-tsehatra mandritra ireto fampisehoan’i Gothlieb ireto. Tsy fanaony matetika izany, satria hatramin’izay, ny hatsikana sy ny hira no mibahan-toerana. Raha ry Rabenitsara sy Olga ny tena nampalaza azy, tany aloha tany, amin’ity kosa hoentiny an-tsehatra koa ireo karazan’olona nalainy tahaka taty aoriana. Raha fintinina, ho betsaka ny famoronana vaovao hatosak’i Gothlieb amin’ny mpankafy, mandritra ireo seho roa ireo.

An’iza ny lamba miaha?”. Lohatenin’ireto fampisehoana ireto io. Hisy ny toetra, fanao, tranga, sns, eny anivon’ny fiarahamonina sy ny tontolo politika malagasy hotsinkafonin-dry Cyril sy ny tariny. Miara-dalana amin’izany ny tsindrom-paingotra voafono anaty hatsikana.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503