Folo taona niorenana. “Hanofana andiany iray vaovao hokoloina ho lasa any amin’ny sehatry ny matihanina izahay”, hoy Andrianarisoa Tolotra, filoha mpanorina ny kaompania Imaitsoanala, izay mandia ny faha-11 taony. Rehefa mety ho karazan-dihy, ampianarina amin’io avokoa. Anisan’ireny ny dihy nentin-drazana, dihy ho an’ny fanentanana, dihy ho an’ny fianakaviana, dihy ankehitriny, dihin’olon-droa, sns.
Fiofanana hitondra ho any amin’ny sehatry ny matihanina “satria ho tratran’ny mpiofana ny tanjona tiany hotratrariny sy mahatonga azy ireo hanaraka ny fiofanana. Ao ny te ho mpampianatra, mpamorona soradihy, mpanentana lanonana samihafa…”, hoy hatrany ny filohan’ny kaompania Imaitsoanala.
Hatomboka ny 11 septambra izao ny fiofanana ao amin’ny EPP Nanisana Ankadindramamy. Notsiahivin’ity tompon’andraikitra ity fa miompana hatrany amin’ny fanabeazana, kolontsaina ary fanatanjahantena ny kaompania Imaitsoanala sy ny fiofanana ary ny seho atolony.
Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana fa anisan’ny taninketsa nitsimohana mpandihy maro ny kaompania Imaitsoanala tao anatin’izay fotoana niforonany izay.
HaRy Razafindrakoto