Mpanakanto anisan’ny nanamarika ny kolontsaina malagasy i Om-Gui. Voatetiny i Madagasikara. Hira maro no noforoniny. Rariny raha mahatsiaro azy ny rehetra. Hisy ny seho goavana…
Tsy latsaky ny telo ny hira noforonin’i Om-Gui miresaka an’Iarivo. Amin’ny maha Renivohitr’i Madagasikara azy… Ireo no anisany nisafidiana an’Antananarivo hanatontosana ny “tsy misy toa anao”, fampisehoana lehibe ho sitraka ho an’i Om-Gui, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Seho hotanterahina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny 16 oktobra izao.
Hira noforonin’i Om-Gui avokoa no hiraina eny an-toerana. Ankoatra ny tarika Ny Ainga, handray anjara amin’ity fampisehoana ity rahateo ireo mpanakanto sy tarika akaiky an’i Om-Gui, toa an’i Njakatiana, Jerry Marcos, Rebika, Mage 4, Bodo. Hanentana ny fampisehoana i Gothleeb.
Eo am-panatanterahana ny fandraisam-peo, ankehitriny, ireo mpanakanto ireo satria hisy vokatra vaovao (rakikira) “Tsy misy toa anao” hivoaka voalohany mandritra io fampisehoana io. Hira noforonin’i Om-Gui avokoa ireo raha ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany.
Raha ny vaovao nampitaina, omaly, hiatrika ity “Tsy misy toa anao ity” ireo mpikambana taloha tao amin’ny tarika Ny Ainga. Anisan’izany i Tantely sy Noro. “Raha raikitra ny fifampiraharahana amin’ny kaompania mpitatitra, ho avy ihany koa i Pathie sy Asnah”, hoy hatrany i Rado Radimiharison.
HaRy Razafindrakoto