Quantcast
Channel: NS-Culture – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503

Feno 15 taona : hanolotra seho vaovao be ry Rakoto Frah Junior

$
0
0
RAKOTOFRAH

Anisan’ny hetsika hisongadina, mandritra ity faran’ny herinandro ity, ny fampisehoana hotanterahin’ny tarika Rakoto Frah Junior, etsy amin’ny Cercle germano-malagasy (CGM) etsy Analakely, rahampitso tolakandro. Manamarika ny faha-15 taona nijoroany izy ireo ary hametraka tantara ho fahatsiarovana izany. Hizara ny tsara indrindra ihany koa amin’ny mpankafy mozika malagasy.

Raha ny vinavina tany am-boalohany, fampisehoana indroa misesy no noheverina hotanterahin’ny tarika Rakoto Frah Junior, eto an-dRenivohitra, ho fanamarihana ny tsingerintaona faha-15 niorenany. Noho ny fotoana mifanindry anefa, iray ihany ny tratra: ny rahampitso etsy amin’ny CGM, araka ny fanazavan-dRapà, mpitantana ny tarika.

Na izany aza, mampanantena seho miavaka ireto tarana-dRakoto Frah, ilay kintan’ny sodina tena malagasy, ireto. “Hizara roa ny fampisehoana. Amin’ny tapany voalohany, hianoka ireo vazo sy dihy efa nahafantaran’ny maro azy ireo ho tonga hiara-paly aminay. Amin’ny tapany faharoa kosa, haneho kanto mbola tsy nentinay an-tsehatra mihitsy izahay”, hoy hatrany Rapà.

Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny mpanakanto samihafa, nandritra izay 15 taona nijoroan’ny tarika Rakoto Frah Junior izay, io vokatra vaovao io. Manampy izany ny traikefa samihafa tamin’ireo hetsika efa nandraisan’ny tarika anjara. “Hita taratra kokoa izany amin’ny lafiny dihy, satria nisy ny fiaraha-miasanay tamin’ny matihanina amin’ny dihy ankehitriny”, hoy ny fanazavan-dRapà.

Haharitra ora iray sy sasany ity fampisehoana ity. Nomarihin’ny tarika hatrany fa ireto vokatra vaovao ireto sy ny endri-tseho miaraka aminy no hoentin’ny tarika mitety faritra hatramin’ny taona 2017. Aorian’ny ao amin’ny CGM, hihazo an’i Toamasina izy ireo.

Miankina amin’ny CUA ny fitokanana ny làlana Rakoto Frah

Raha tsiahivina, araka ny efa nambara teto, ho tsangambaton’izao tsingerintaona lehibe izao ny fitokanana ny làlana mitondra ny anaran-dRakoto Frah. Araka ny nambaran-dRapà, efa nanaiky izany ny kaominina Antananarivo Renivohitra, saingy miankina amin’ito farany ny fanondroana ilay làlana hitondra io anarana io sy ny fotoana hanokanana azy.

Ankoatra izany, ao anatin’ny tetikasan’ireo tarana-dRakoto Frah ihany koa ny hanangana mozea mitondra ny anarany ary miompana tanteraka amin’ny tontolon’ny sodina sy ireo zavamaneno tena malagasy hafa. Eny amin’ny toerana nonenan-dRakoto Frah ihany no hisy azy ity ary hiara-dalana ny fitokanana ilay mozea sy ny lalana. Manantena ry Rakoto Frah Junior fa ho vita mialoha ny faran’ny taona izany rehetra izany.

Tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny tarika ny hanome fiofanana maimaimpoana momba ny sodina sy ireo zavamaneno nentim-paharazana hafa, tamin’iny volana aogositra iny, ho fanamarihana hatrany ny faha-15 taona niorenany. Tsy tratra anefa izany noho ny tsy fahampiam-potoana, indrindra tamin’ny fanomanana, araka ny voalazan-dRapà hatrany. Mampanantena anefa izy fa hatao amin’ny fotoana manaraka izany.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 10503