
Tontosa ny fihaonana teo amin’ireo mpikabary avy amina fikambanana 18. Tapaka tamin’izany fa isaky ny 15 septambra no hanamarihana ny « Andro nasionaly ho an’ny kabary ». Raha ny nambaran’ny nandroso io fotoana io, vanim-potoana tsy mahabe raharaha ny mpikabary sady tsy mbola filatsahan’ny orana io. « Haroso eo anivon’ny governemanta sy any amin’ny Antenimierampirenena izy ity mba hivoahan’ny lalàna mifanandrify amin’izany », hoy Rabenandrasana Lalao, filohan’ny Federasion’ny mpikanto teny sy soratra (FMTS).
Anisan’ny antony hanamarihana Andro nasionaly, tahaka izao, ny « hanairana ny sain’ny vahoaka fa fanoitra iray lehibe mampitambatra ny Malagasy ny kabary. Fitaovana mahomby amin’ny fampandrosoana », hoy hatrany ny filohan’ny FMTS. Nomarihiny fa « ilay kabary voaravaka ohabolana sy hainteny mahafinaritra no tian-kambara eto ».
Mbola hifampidinihana kosa ny hetsika hotanterahina mandritra ny fanamarihana sy fankalazana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny kabary ».
HaRy Razafindrakoto