
Na mbola tsy vita tanteraka aza ny fianarana, efa miroso amin’ny fampiharana ka miaka-tsehatra ireo mpianatra teatra ao amin’ny Akademy theatre.
Fantatra izao fa anisan’ireo handray anjara ary hitondra an-tsehatra piesy vaovao, mandritra ny « Nuit malgache » ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely, ireo mpianatra maherin’ny 70 ao amin’ity akademia ity. Ankoatra izany, anisan’ireo haneho ny talentany, mandritra ny fahatongavan’ireo vahiny, amin’ny fivoriamben’ny frankofonia ihany koa izy ireo.
Notsiahivin’ny mpampiofana, Randrianierenana Henri, fa efa miditra amin’ny telo volana faharoa ny fianarana ho azy 70 mianadahy ary tsy hifarana izany raha tsy ny voalohandohan’ny desambra. Efa misokatra ihany koa ny fisoratana anarana ho an’ny andiany manaraka. « Hatreo ihany aloha no omanina hiatrika ny « Festival de théâtre », hatao ny avrily na mey 2017« , hoy hatrany izy.
Ho hetsika iraisam-pirenena ny « Festival de théâtre ». Efa nahazo ny fankatoavan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny vakoka ary ireo rafitra ara-panjakana rehetra ny fanatontosana azy, araka ny nambaran’ny mpikarakara hatrany. An-dalana ihany koa ny fifampidinihana amin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny teatra sy ireo fikambanana ary rafitra samihafa aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy hatrany Eoropa mba hisian’ny fiaraha-miasa sy ny fandraisan’anjaran’izy ireo.
Landy R.